• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mbola mampijaly ny mpampiasa azy hatrany ny lalam-pirenena faharoa

26/02/2025 11:12 © Moov

Efa volana maromaro izay no niantombohan’ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Amin’izao fotoana izao dia mbola misedra olana amin’ny fahatapahan-dalana sy ny faharatsiany ny mpampiasa azy. Misy ireo tsy misy tara intsony ka lasa mamotaka ; eo ihany koa ireo mbola misy tara saingy malama ihany koa noho ny fotaka amin’ny sisiny.

Fitohanana lavareny rehefa avy ny orana

Raha vita 8 ora iny 365 km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina iny taloha dia efa mahafaka adiny 12 na mahery izany amin’izao fotoana izao. Mbola manampy trotraka ny fahasimban’ny lalana ihany koa ny orana tato ho ato. Raha tsiahivina dia faritra be orana ihany koa iny Atsinanana iny ka mbola manamafy ny fahasahiranana hatrany. Ny faran’ny herinandro lasa teo izao dia nikatso indray ny lalana, alohan’ny hiditra an’i Marofody noho ny fiara lehibe tavela tao anaty fotaka. « Lava dia lava indray ny fitohanana ny zoma lasa teo satria ilany ihany no afaka nandehanana noho ilay fiara tavela teo. Mbola ho lava anefa ity fahavaratra ity ka ho fijaliana toy izany hatrany io fampiasana ny RN2 io », hoy ireo mpitatitra olona amin’iny RN2 iny. Ankoatra io eo Marofody io dia isan’ny hitarainan’izy ireo ihany koa ny eo Ranomafana sy ireo maro hafa.

Fanamboarana ireo teboka manahirana

Nanambara ny Ministeran’ny asa vaventy omaly fa efa mitohy amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ireo lavaka tena manahirana ireo mpampiasa lalana. Isan’izany asiam-panamboarana izany ny eo Ambodisovoka, teboka halavirandalana PK 291+250, sy ny eo Ranomafana, PK 204 ary ny eo antampontananan’Ampasimadinika, PK304. Nisy ny asa maro efa natao toy ny fanesorana ireo fitaovana efa ratsy tamin’ny arabe na « purge » ka natao « matériaux de substitution » amin’ny « concassé » avy eo. Nisy ihany koa ny fanokafana tatatra amin’ny ilany ankavia mba hivoahan'ny rano, sy ny fanamboarana tanteraka ny arabe. Ankoatr'izay dia efa am-perinasa ny orinasa CRCC, manarina sy manatsara ireo teboka tena manahirana eo antampontananan'Ampasimadinika. Anisan'ny asa tanterahina ankehitriny ny fanalana ny rano eo amin’ny arabe, ny « scarification », ny fanaovana « apport GNT » ary « compactage ». Ao anatin’izany moa dia miantso ny faharetan’ny mpampiasa lalana ny Ministera amin’ny asa rehetra mandeha.

Lire la suite

Articles Similaires