• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Miroso ny asa fanatsarana ny fitantanana ny vatsim-pianarana

04/02/2025 16:44 © Moov

Isan’ny olana lehibe hiainan’ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo matetika ny fahataran’ny vatsim-pianarana. Manoloana izany dia nanatanteraka fivoriana tao amin’ny Digital Center Antaninarenina ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), tamin’ity androany ity.

Vahaolana maharitra

Nandritra ny fananganan-tsainan’ny MESUPRES, omaly dia nanamarika ny Minisitra fa laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny fikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra araka ny toromariky ny Filoham-pirenena, « Tsy tokony hisy intsony ny fahatarana amin’ny vatsim-pianarana mba hisorohana ireo olana mety hitranga. Kendrena ho haingana sy mirindra ny fikarakarana azy io, eny anivon’ny Oniversite », hoy hatrany ny tenany. Izany ihany koa no votoatin’ny fivoriana tamin’ity anio ity mba hikarohana vahaolana maharitra. Nandritra io fihaonana io, araka izany dia nanombatombana ny fandrosoana vita ho amin’izany tanjona izany ireo mpandray anjara. Namantatra ny fanatsarana ilaina amin'ny fizotran'ny fizarana vatsim-pianarana ihany koa. Fotoana ihany koa nametrahana ny tetiandro mari-pototra amin’ny fanombohana tsikelikely amin’ny fampiasana ny rindrambaiko « EDUTIC ». Programa mikendry ny hanatsarana ny fomba fitantanana sy hiantohana ny mangarahara tsara kokoa amin'ny fitantanana ny vatsim-pianarana izy io.

Tohana ara-teknika

Mbola ao anatin’izany ezaka izany hatrany dia nanome tohana ara-pitaovana ho an’ny MESUPRES ny MNDPT. Solosaina miisa 10 no natolotra tamin’izany. Entina hatrany hanamorana ny fitantanana ity vatsim-pianarana ity ireo fitaovana izao. Hanampiana izany ny fanatsarana ny fifandraisana amin'ny alalan’ny aterineto. Hahafahan’ny minisitera mampiasa malalaka ny rindrambaiko "EDUTIC" izany ary hahafahana miditra amin'ny serivisy aterineto maro hafa ihany koa. Ankoatra izay moa dia hanamafy ny fiaraha-miasany hatrany ny Minisitera roa tonta mba hahafahana manatratra io tanjona napetraky ny Filoham-pirenena io. Tsara ny manamarika fa nitarika ity fivoriana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Loulla Chaminah, sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Stéphanie Delmotte, notronin'ireo Sekretera Jeneralin'ny Ministera roa tonta sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ary ireo teknisianina maro.

Lire la suite

Articles Similaires