• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Tily Eto Madagasikara
Image
Vaovao

Fanatsarana ny fanabeazana : Hotanterahina ny 22 sy 23 mey ny fikaonan-dohan’ny Skoto eto Madagasikara

27/01/2025 16:46 © Moov

Karajia, izany no nataon’ny fikambanana Skoto eto Madagasikara, indrindra ny Tily ny anaran’ny fikaonan-doha nasionaly amin’ity taona ity. Hotanterahina eny amin’ny Tranombitsika Antsahamarofoza, ny 22 sy 23 mey ho avy izao izany. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fampahafantarana ny hetsika.

Lohahevitra « hiainana ny fiainana »

Mandalo ambana mahery vaika ny ankizy sy ny tanora amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany ny fiaraha-monina sy ny teknolojia. Manana adidy amin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo olona ireo ny Skoto ka izany no hanatanterahana izany fikaonan-doha izany. « Nisy ny fikaonan-doham-pirenena tany Egipta tamin’ny herintaona. Nivoitra tamin’izany ny fametrahana politika vaovao sy paikady vaovao ho an’ny skoto, hibanjinana ny taom-panabeazana vaovao ho an’ny taona 2024-2027. Tanjona ny hahazoan’ny tily ny tolotra fanabeazana mihavao, mahatanteraka ny asa firotsahana sy fitantanana mangaraharaha. Vina amin’izany ny fibanjinana ny lohahevitra hoe hiainana ny fiainana », hoy i Tamby Rakotoarimanana, Filoha Foiben’ny Tily eto Madagasikara. Nanamarika izy ireo fa hamolavola olona ho andrin’ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana izy ireo amin’ny alalan’ny fanarahana ny fivoaran’ny fiainana.

Handraisan’ny rehetra anjara

Miantso ny hery velona rehetra araka izany ny Tily mba handray anjara amin’ity karajia ity. Hifandrombona ny mpandray anjara rehetra ; hanome tolo-kevitra sy hikaon-doha, hanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tanjon’izany ny hanao ny fanabeazana skoto mba hitondra fanatsarana. Hizara telo mazava tsara ny fanatanterahana ity karajia ity. Ao anatin’izany ny hetsika fanapariahana serasera, ny dinika an-databatra boribory hisy lohahevitra miisa efatra ary atrikasa. « Miantso izay rehetra maniry handray anjara amin’ny dinika mba samy haneho ny fahavononany. Angon-kevitra entina hanatsarana ny fanabeazana no hatao amin’izany. Antsoina avokoa ny manana hevitra rehetra momba ny fanabeazana, toy ny mpampianatra sy ny mpanabe. Ilaina ihany koa anefa ny hevitry ny tanora », hoy ny fanazavana. Ny hevitra ho tapaka amin’ity karajia indray araka izany no hitondrana ny fanabeazana ao anatin’ny taom-panabeazana Skoto 2024-2027.

Lire la suite

Articles Similaires