• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faly Rafieferana
Image
Vaovao

Fanabeazana miabo : Hanao fizarana maimaim-poana ho an’olona 1 000 ny mpanabe Faly Rafieferana

10/01/2025 11:05 © Moov.Mg

Saika mahatsapa avokoa ny rehetra fa marary ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Fototry ny ankamaroan’ny olana, ny lavaka misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, na an-tsekoly io, na eo amin’ny fanabeazana mahaolona. Manoloana izany dia misy olom-pirenena tsara sitrapo, maniry ny hanolotra fanabeazana miabo maimaim-poana, ho an’ny mponina eto Antananarivo.

Fifanoloran-tanana

Faly Rafieferana, mpanabe, fantatry ny maro amin’ireo fampiofanana momba ny « fanabeazana miabo » tanterahiny, no hanolotra famelabelaran-kevitra maimaim-poana ho an’ireo izay liana amin’izany, ka monina eto Antananarivo Renivohitra. Tohanan’ireo olon-tsotra hafa, mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana izy, amin’ity tetikasa ity. Mbola miantso ireo tsara sitrapo izay vonona ny hifanolo-tanana ihany koa anefa izy ireo. Miainga amin’ny vinavina mantsy izany hetsika izany hatreto, fa mbola maro no ilaina amin’ny fanatanterahana azy, toy ny efitrano malalaka mahazaka olona 1000 isa, ny fanamafisam-peo, sy ny fandaniana hafa amin’ny fikarakarana. Afaka mandefa hafatra miafina amin’ny kaonty Facebook « Razanajatovo Faramalala » sy « Sendra Soatiana », ireo izay afaka mifanampy amin’izy ireo, amin’ny fikarakarana ity hetsika ity.

Fiarahamonina mirindra

« Fototra iray mampandroso ny firenena ny fanabeazana miabo », hoy ireo mpikarakara ny hetsika. Tanjona, araka izany, ny hanavotana ny fanabeazana ny olom-pirenena tsirairay, mba hahalala fomba, handray andraikitra, hahay hiatrika ny fiainana ao anaty fiarahamonina mirindra… Raha sandaina vola ny fifampizarana hataon’ny mpanabe, Faly Rafieferana, dia lafo tokoa, saingy ho maimaim-poana izany, araka ny fanazavana azo, mba ho olona maro, araka izay tratra, no hisitraka « fanabeazana miabo » ho entiny manatsara ny fiainany.

Araka izay fotoana ahitana ireo fitaovana ilaina ireo no hahafahana mametra izay fotoana hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Izay indrindra no mahatonga ny mpikarakara hanao antso avo amin’izay afaka manohana rehetra, amin’ny fanatontosana izany.

Lire la suite

Articles Similaires