Fahasalamana : Miha tanora ny olona voan’ny aretin’ny fahatapahan’ny lalandrà tampoka (AVC)
Ankalazaina isaky ny 29 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny aretin’ny fahatapahan’ny lalandrà tampoka (AVC). Tamin’ity anio ity araka izany no nampitandremana ny olona ny amin’ny momba izany aretina izany. Nanamarika mantsy ny mpitsabo fa miha-tanora ny olona voan’ny AVC eto Madagasikara sy maneran-tany. Manomboka eo amin’ny 30 taona eo ho eo izany.
Maty tanora
Aretina iray tena mampatahotra ny olona ity aretin’ny fahatapahana lalandrà ity. Azo lazaina ho aretina sarotra sitranina mantsy izy. Raha teo ho eo amin’ny olona maherin’ny 50 taona teo ho eo talohaloha ny olona voan’izany aretina izany dia efa lasa manomboka eo amin’ny 30 na 35 taona eo indray izany tato ho ato. « Efa manomboka maro ny olona mbola tanora voan’ny AVC. Misy amin’izy ireny aza no maty mihitsy vokatr’izany », hoy ny mpitsabo iray, Dr Norbert Nahary. Izany indrindra no tokony handraisan’ny tsirairay fepetra amin’ny fiarovana ny tenany avy. Raha tsiahivina mantsy dia azo atao ny mitsabo mba tsy hiombon’ny aretina ka hitarika amin’ny fahafatesana. Azo atao ihany koa ny miaro mba tsy ho tratrany.
Manova fomba fiaina
Ao anatin’izany fiarovan-tenan’ny isaky ny olona izany ny fandanjalanjana ny sakafo sy ny fanovana ny fomba fiainana. Anisan’ny antony lehibe indrindra mahatonga ny AVC moa ny tosidrà miakatra ka ao anatin’ny fialana amin’izany ny fahaizana mitondra ny fiainana sy ny sakafo. « Mila ovaina ny fomba fisakafoanana. Izany hoe ahena ny sira ary ahena na hajanona ihany koa ny zava-pisotro misy alikaola sy ny sigara. Etsy andaniny anefa dia lasa mampitombo ny mety hisian’ny AVC ny rarin-tsaina ka tokony mahay mandamina ny fomba fiainana mba hialana amin’izany », hoy ny fanazavan’ity mpitsabo ity hatrany. Ankoatra izany rehetra izany anefa dia ny fanatonana mpitsabo irery ihany no vahaolana rehefa mahatsapa hafahafa amin’ny vatana. Tsy tokony hatao antsirambina ihany koa ny fihinanana fanafody izay hatoron’ireo mpitsabo.