• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 5 hatramin'ny 11 febroary 2024

12/02/2024 00:03 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nalaza nandritra ny herinandro lasa teo, dia ny 5 hatramin'ny 11 febroary 2024

Fahasalamana # Fisorohana ny Choléra

Mitohy hatrany ny ady amin'ny Choléra na dia mbola tsy misy tranga voamarina aza eto Madagasikara. Efa tafapetraka ireo fepetra sakana hisorohana ny fidiran'izany valan'aretina izany eto amintsika, izay hifandrimbonan'ny Governemanta iray manontolo. Ny 5 febroary lasa teo, nanatanteraka fidinana ifotony teny amin'ny seranam-piara manidina Ivato ny Minisitra maromaro teo anivon'ny Governemanta, notarihin'ny Minisitry ny Fahasalamana, Pr. Zely Randriamanantany. Nampitaina tamin'ireo tompon'andraikitra samihafa eo anivon'ny seranam-piaramanidina avokoa ireo toromarika rehetra.

Fahasalamambahoaka # Fandrindram-piterahana

Tafiditra ao anatin'ny vinan'ny filoham-pirenena hampandrosoana an'i Madagasikara ny fampitomboana ny tahan'ny tanora mandrindra ny fiainam-pianakaviana. Ao anatin'ny 100 andro voalohany amin'izao fitondrana izao, manatanteraka hetsika lehibe manerana ny Nosy ny Ministeran'ny Fahasalamana.
Nisitraka fanentanana mikasika ny fandrindram-piterahana ireo tanora eo anivon'ny Oniversiten’ny Maninday Toliara, 09 febroary 2024 lsa teo. "Fandrindrana fiainam-pianakaviana: antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra" : izany no teny filamatra.
Tsiahivina fa ny 8 febroary lasa teo dia nanatanteraka fambolenkazo tao Ambalavao Atsimondrano ny fianakaviamben'ny mpiasan'ny fahasalamana.

Fotodrafitrasa # Tetezan'i Mangoro

Ny zoma 9 febroary lasa teo no notokanana ny tetezan'i Mangoro, anisan'ireo tetezana lehibe mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny firenena Japoney amin'ny alalan'ny JICA no nahafahana nanatanteraka ny asa. Naharitra roa taona moa ny asa fanamboarana, izay nampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ary hanatsara ny fifameziven'ny olona sy ny entana mandalo amin'iny lalam-pirenena iny.

11 febroary # Kolonely Richard RATSIMANDRAVA

11 Febroary 1975-11 Febroary 2024. Notsarovana omaly ny faha-49 taona nahafatesan'ny Kolonely Richard Ratsimandrava. Tsiahivina fa ny tenany no manamboninahitra zandary Malagasy voalohany, ary koa Malagasy voalohany komandin'ny Zandarimaria. Hisy moa ny fampirantiana momba ny tantaran'ny Kolonely Ratsimandrava, karakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina izay hanomboka amin'ny fomba ofisialy rahampitso 12 febroary 2024 ary haharitra roa herinandro, eny amin'ny Trano sary Ambohidahy.

METFP # Asa ho an'ny tanora

Tontosa ny 6 febroary lasa teo ny fihaonan'ny mpiara-miombona antoka tamin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Marobe ireo mpiara-miombona antoka no efa naneho avy hatrany ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa, hitondra fanavaozana sy fanajarana ny sehatra ity. Hitohy amin’ny fifampidinihana tsirairay amin’ireo mpiara-miombona antoka efa naneho ny fahavononany hifanome tanana izao fihaonana izao, mba hirosoana avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa mahomby.

Fahavaratra # Fiakaran'ny rano

Saika voakasiky ny fiakaran'ny rano ny teto Antananarivo sy ny manodidina noho ny rotsak'orana nisesy. Saika narahi-maso avokoa ireo renirano lehibe, ary nisy mihitsy ny fanahiana tondradrano. Nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ny Sampana Mpamantatra ny Toetrandro sy ny APIPA. Tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa teo dia tapaka ny RN7 noho ny fiakaran'ny rano tao Behenjy. Niakatra nanenika ny arabe ireo rano manodidina ka sahirana tanteraka tamin'ny fivezivezena ireo mponina sy ireo mpandalo.

Lalie Mpihira # Nahomby ny fandidiana

Fahombiazana ny fandidiana izay natao tamin'i Lalie tamin'iny herinandro lasa iny. Vitan'ireo mpitsabo ny nanala ireo "kystes" izay nampivonto ny kibony. Araka ny vaovao farany, efa nody any an-tokatranony ny tenany. Mbola tandremana mafy nefa ny toe-pahasalamany. Tsiahivina fa tsy vitsy ireo nifanolo-tanana tamin'ny niatrehana ny fandidiana. Ankoatra ireo olon-tsotra sy mpanakanto, anisan'ireo nanohana an'i Lalie ny Ministeran'ny Mponina sy ny Ministeran'ny Serasera & ny Kolontsaina.

Andry Balafomanga # Nodimandry ny 8 febroary

Nandao tampoka ny mpanakanto Andry Balafomanga, vao maraimben'ny 8 febroary. Misaona ny tontolon'ny mozika Rock satria namoy mpihira, mpamoronkira, mpandihy no sady mpampianatra dihy. Tamin'ny taona 90 sy 2000 ny lehilahy no tena nalaza, saingy na dia nandroso aza ny taona dia tsy afaka am-bavan'ny maro ny hirany. Na ny efa nahazohazo taona na ireo tanora dia mankafy ery miventy ny "Jono Botry" sy ny "Inona no jerijerena".

Taom-baovao sinoa 2024# Taonan'ny dragona

Nisy hetsika ara-kolotsaina nanamarihana izany teo anoloan’ny Lapan’ny tanàn’Antananarivo, ny asabotsy 9 febroary lasa teo. Nokarakarain'ny Institut Confucius eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, tohanan'ny Masoivoho Sinoa eto Madagasikara, izany fanamarihana izany. Fety manan-danja ho an'ireo vahoaka sinoa ny taom-baovao toy izao, na aiza na na aiza toerana misy azy ireo manerana izao tontolo izao. Tsara ny manamarika fa taonan'ny dragona ny 2024 ho an-dry zareo Sinoa.

Morondava # Fanafihana mpandraharaha Sinoa

Mpandraharaha teratany sinoa iray no lasibatry ny fanafihana mitam-piadiana tao Morondava, faritra Menabe. Naratra moa ilay voatafika ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Tsy iza ny atidoha nikotrika ny fanafihana fa ny mpiambina ny tananany teo aloha ihany, izay voaroaka noho ny fitondran-tena tsy mendrika. Ny asabotsy 10 febroary teo ilay jiolahy no saron'ny mpitandro ny filaminana tao Nosikely, faritra ambanivohitra ao Morondava ihany.

Amboasary Atsimo # Dahalo iray lavo

Ny 6 febroary lasa teo no nitrangana fanafihan-dahalo sahabo ho dimy ambiny folo (15) eo ho eo tao Berano-ville. Raikitra ny fanarahandia sy ny fifandonana, ka dahalo iray no lavon'ny balan'ny mpitandro ny filaminana. Azo avokoa ireo omby miisa 37 ka nampodiana any amin'ny tompony. Niara-nifandrimbona moa ny mpitandro ny filaminana (ZDS Mandrare) sy ireo mponina tany an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires