• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © C For C
Image
Vaovao

C for C : Mifarana ny tetikasa « Sahala », mitohy ny ady amin’ny herisetra

09/02/2024 09:39 © Moov.Mg

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tany Morondava, ny tetikasa Sahala. Ny fikambanana tsy miankina C for C (Capacity-Building for Communities) no nanatontosa ity tetikasa ity, izay mifototra amin’ny ady amin’ny herisetra sy ny miralenta.

Nanome fiofanana

5 taona no nanatanterahana ny tetikasa Sahala, tamin’ny Faritra roa teto Madagasikara dia Morondava sy Analamanga. Ny Vondrona Eoropeanina no namatsy vola izany tetikasa izany. Tao anatin’izay fotoana izay dia maro ireo nahazo fiofanana : lehilahy maherin' ny 5 400 isa tamin’ny Fokontany 128, sekoly 92, mpanao gazety 255, ray aman-dreny 1 329 ary Mpitarika ara-drazana 470. Amin’ny ankapobeny dia ny lehilahy, izay mpandray anjara amin’ny herisetra, nefa afaka miady amin’ny herisetra tsara ihany koa, no tena nifantohan’ny tetikasa. Ho fanohizana ny asa, ho an'ny faritra Analamanga, dia nanofana lehilahy 14 hitondra ny « Resa-dehilahy » eny anivon'ny Fokontany, ny tetikasa Sahala, ary nanofana mpampianatra 258 isa ihany koa, izay hanohy ny fanentanana ireo mpianatra. Ho an'ny faritra Menabe, dia hiaraka hiasa ireo mpikambana rehetra ao amin'ny Vovonana miady amin'ny herisetra any Morondava, amin’ny fanohizana ny fanentanana ny lehilahy. Mpampianatra 80 kosa no nofanina mba hanohy ny fanentanana ny ankizy any an-tsekoly.

Hevi-draikitra

Araka izany, ny tetikasa no tapitra fa ny ady amin'ny herisetra dia mitohy hatrany ary manana anjara andraikitra lehibe amin'izany ady izany daholo ny olona rehetra. Na dia efa nahitana fiovana kely aza mantsy ny fiheverana mahakasika ny fahasamihafan’ny lahy sy ny vavy, dia mbola misy ihany ireo hevi-draikitra izay mbola tena miraikitra ao an-tsain’ny Malagasy, araka ny fanadihadihana ny daholo be nataon’ny Cfor C tamin’ny taon-dasa teny andalana teny. Isan’ny nivoitra tamin’izany fanadihadiana izany ireto antontan’isa ireto :
· 54%-n’ny olona nanaovana fanadihadiana no mieritreritra fa tsy mitovy ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy
· 64,3%-n’ny olona nanaovana fanadihadiana no mihevitra fa misy asa tsy natao ho an’ny vehivavy mihitsy
· 53%-n’ny olona nanaovana fanadihadiana no nilaza fa tsy tokony hofaritana mazava ny anjara asa tokony ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tokantrano
· 51,2-n’ny olona nanaovana fanadihadiana no mieriteritra fa mila maka alalana amin’ny vadiny ny vehivavy vao afaka miasa ivelan’ny trano
· 65,9% n’ny olona nanaovana fanadihadiana no nilaza fa tsy tokony hilalao saribakoly ny zazalahy
Mila miova sy mihatsara ireo fomba fiheverana ireo mba hananan’ny lahy sy ny vavy anjara sahala. Mpandray anjara fototra amin’ny ady amin’ny herisetra ny lehilahy, ka antony niompanan’ny tetikasa tamin’izy ireo, nitondrana fanentanana teny anivon’ny fiarahamonina tamin’ny alalan’ny « Resa-dehilahy ». Ireo nandray anjara tamin’izany fanentanana izany dia saika nilaza avokoa fa tena nitondra vokatra teo amin’ny fiainan-tokan­tra­nony ny fahalalana azony tao anatin’ny tetikasa Sahala.

Lire la suite

Articles Similaires