• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Miompana amin’ny herin’ny masoandro ny ministeran’ny Angovo

08/02/2024 11:41 © Moov.Mg

Nampahafantatra ny fivoaran’ireo asa efa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa hotanterahina maika, ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, nandritra ny filàn-kevitry ny Minisitra notanterahina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Tobim-pamokarana herinaratra 105 MW

Raha ny vinavina tamin’ny volana desambra dia amin’ity volana febroary ity, fara-fahatarany, no ho vita tanteraka ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra manana tanjaka 105 MW eny Ambohimanambola. Araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra natao omaly dia manomana ny fandefasana ny fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ankehitriny ny ministera, ary manamafy ny lalana mankany amin’ny toerana hametrahana izany tobim-pamokarana izany, sy ny fiarovana ireo fitaovana vonjimaika efa any an-toerana. Mavesatra mantsy ireo fitaovana ireo, izay hotaterina avy any Toamasina, satria, raha tsiahivina, dia milanja 70 taonina ny « bloc moteur » iray, miisa 7 anefa izy ireo. Milanja 59 taonina ny « alternateur » iray, miisa 7 ihany koa izy ireo, ary milanja 50 taonina ny vata mpanova herinaratra (transformateur) iray, izay miisa 3 no ho avy.

Herinaratra ho an’ny faritra ambanivohitra

Momba ny famatsiana herinaratra ny faritra ambanivohitra dia toerana 4 ankehitriny no efa nahavitana 100% ny asa fametrahana toby mpamokatra herinaratra amin’ny herin’ny masoandro (centrales solaires), dia Tanandava Morondava, Marovato sy Ambohitrandriana Ambanja ary Ampondralava Ambilobe. Toerana miisa 27 moa no kendrena hanatanterahana izany, raha tsiahivina. Misy ihany koa ny fametrahana tambajotra madinika mamokatra herinaratra (nano réseaux solaires) amin’ny toerana miisa 20, ka toerana 2, dia i Belamoty Betioky sy Befandriana Atsimo Morombe, no efa miditra andrana ny fampandehanana azy. Vita amin’ny taha 90% ny asa, hoy ny tatitra.

Herinaratra ho an’ny marefo

Miompana amin’ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro ny ampahany betsaka amin’ireo asa hosahanin’ny eo anivon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ankoatra ireo asa hafa, raha ity tatitry ny filàn-kevitry ny Minisitra ity. Ankoatra ny famatsiana ny eny Ambanivohitra dia mbola eo koa ny fizarana ireo kojakoja hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro (kits solaires) ho an’ireo tokantrano marefo, izay iandrasana ny « avis de non objection » avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, taorian’ny tolo-bidy nalefan’ny Fanjakana. Eo ihany koa ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) miisa 47, izay amin’ny volana aprily no hanomboka ny fanapariahana azy ireo manerana an’i Madagasikara, any amin’ny distrika voakasika. Ankoatra izay dia misy ny fametrahana “lampadaires solaires” amin’ireo andrin-jiron’ny JIRAMA amin’ireo tanàna efa voafaritra mialoha.

Lire la suite

Articles Similaires