Fitrandrahana sokatra an-tsokosoko : nahazo vahana tao anatin’ny roa volana
Nisesisesy ny trangana fitrandrahana sokatra tsy ara-dalàna teto Madagasikara tao anatin’ny roa volana, araka ny fampitam-baovaon’ny Alliance Voahary Gasy. Vokatr’izany dia maro amin’ireo karazam-biby arovana ireo no namoy ny ainy sy tsy hita intsony, na dia efa tratra aza ireo mpitrandraka an-tsokosoko.
Sokatra arivo isa tany Boeny
Manaitra ny sain’ny maro ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena miaro ny tontolo iainana, Alliance Voahary, noho ireo tranga fandripahana ny sokatra, izay niseho lany tato ho ato. Nampahatsiahivin’ity vovonana ity ny zava-niseho, roa volana lasa izay, ka nahatrarana tera-tany vahiny iray nitondra sokatra manodidina ny arivo isa tamin’ny sambokely haingam-pandeha. Rehefa nanana olana tamin’ny fitaterana io mpanondrana an-tsokosoko io, dia nariany tao amin’ny ala mainan’ny baie de Mahajamba, faritra Boeny, ireo sokatra ireo. Vokatr’izay dia tsy hita ny 700 isa, maty ny 40 isa, fa ny 260 no sisa avotra, vokatry ny fiaraha-miasan’ny TSA (Turtle Survival Alliance) Madagasikara sy ny fitaleavam-paritry ny tontolo iaiana sy ny fampandrosoana lovainjafy ao Boeny.
Hiakatra fitsarana rahampitso
Notsiahivin’ny Alliance Voahary Gasy ihany koa fa rahampitso no hitsarana ny raharaha momba ny fitaterana sokatra « radiées » miisa 300 avy tany Toliary nankany Antananarivo, tranga niseho tamin’ny volana aogositra lasa teo. Mbola tamin’ny volana aogositra lasa teo ihany koa no nisy sokatra 111 isa saika haondrana, saingy tratra tao Mahajanga. Notsiahivin’ny Alliance Voahary Gasy ihany koa, fa vao herinandro vitsy lasa izay no nisy olona nahatrarana sokatra « radiées » miisa 201 tany Beloha Androy. Maty ny 199 tamin’izy ireo, rehefa noesorina ny nofony, ka ny 2 sisa velona.
Atahorana ho ringana
Araka ireo voatanisa ireo dia ilay karazan-tsokatra atao hoe : « radiée » no tena iharan’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Raha ny tatitra nataon’ny Tahiry Iraisam-pirenena ho An'ny Tontolo Iainana (WWF) tao anatin’ny tatitra “Planète Vivante 2022” anefa, dia atahorana ho ringana tanteraka ity karazan-tsokatra ity mandrapahatongan’ny taona 2050. Nampahatsiaro ary ny Alliance Voahary Gasy fa voararan’ny lalàna Malagasy sy ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny famarotana karazan-java-maniry na karazam-bibidia mety ho lany tamingana (règlementation CITES), ny fihazana, ny fitazonana, ny fivarotana, ny fividianana, ny fihinanana ary ny fanondranana sokatra eto Madagasikara.