• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Jirama Ofisialy
Image
Vaovao

Fahatapahan-jiro : Mitondra vahaolana ny Jirama

05/06/2023 17:31 © Moov.Mg

Miezaka mitondra vahaolana manoloana ny fahatapahan-jiro matetika ny Jirama.

Herinandro maromaro izay no niaina tao anatin’ny fahatapahan-jiro miodina na "délestage tournant" ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina.
Tsy Antananarivo irery anefa no voakasik’io fahatapahana io fa eo ihany koa ireo faritra hafa manerana ny Nosy, toa an’i Mahajanga sy i Toliara. Manoloana izany dia niezaka nitady vahaolana ny avy eo amin’ny orinasa Jirama.

Olana ara-pamatsiana

Raha zohina dia olana ara-pamatsiana no fototry ny fahapahan-jiro izay iainan’ny vahoaka ankehitriny. Anisany antony mahatonga izany olana ara-pamatsiana izany ny faharitran’ny rano rehefa fotoanan’ny ririnina toa izao. Araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny orinasa Jirama dia tonga hatrany amin’ny 30% izany fidinan’ny rano izany amin’izao fotoana.
Ankoatra izany tsy fahampian’ny rano izany dia teo ihany koa ny fahataran’ny fahatongavan’ireo kamiao mpitatitra solika mavesatra na fuel lourd. « Ny tsy fahatomombanana nandritra ny fanaovana déchargement teny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany koa no anisany antony iray tsimaintsy nidirana tamin’ny fanapahan-jiro miodina. Vokatr’izany tsy fahatomombanana izany manko dia tsimaintsy nalefa niala ny faritry ny moro-tsiraka mihitsy ilay sambo nitatitra ny solika nandritra ny déchargement mba hialana amin’ny mety ho loza. » hoy ny Jirama. Fantatra ihany koa anefa fa roa andro aorian’ny iaingany avy ny Toamasina vao tonga eto Antananarivo ireo kamio mpitatitra solika.

Vahaolona napetraka

Manoloana izany tsy fahampian’ny rano izany dia tsimaintsy nandray fanapahan-kevitra ny hiditra amin’ny fanapahan-jiro miodina ny Jirama. « Tsimaintsy tsitsina ny rano satria ny rano manodina ireo centrale ihany no ampiasanaina hamatsiana rano fisotro madio ny tokan-trano tsirairay avy. Raha tsy tantanina araka ny tokony ho izy izany dia hisedra olana amin’ny resaka famatsiana rano indra isika amin’ny volana Jolay, Aogositra sy Septambra. » hoy hatrany ny Jirama.
Mahakasika ny solika mavesatra indray kosa dia efa miezaka mampitombo ny isan’ireo kamiao mpitatitra solika ny Jirama. Hitady firaha-miasa amin’ireo mpitatitra ny jirama mba hanafainganana ny fahatongavan’ireo solika mavesatra ilaina amin’ny fanodinana ireo centrale.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo