• Cours de change
  • 4741.75 AR
  • |
  • $4416.55 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

CSB II Analampotsy : Toeram-pitsaboana manarapenitra ho an'ny daholobe

04/06/2023 22:30 © Moov.Mg

Anisan'ireo kaominina lavitra andriana Analampotsy, distrikan'i Mananara Avaratra. Tsy fahita firy araka izany ireo toeram-pitsaboana, ary matetika na misy aza dia tsy ampy fitaovana. Androany 4 jona 2023 no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny varavaran'ny CSB II Analampotsy.

Ny fahasalamana no voalohan-karena. Nandritra ny fandalovan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Mananara Avaratra no nanokanana ny CSBII Analampotsy. Toerana madio sy mahafinaritra no andraisana ireo marary. Tsy izany ihany fa efa misy ireo fitaovana arifomba rehetra anatanterahana ireo fitsaboana isan-karazany ny toerana. Marihana fa manana vata fampangatsiahana lehibe mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity toeram-pitsaboana ity, ka ho foana noho izany ny loza ateraky ny fahasimban’ny vaksiny sy ny fanafody samihafa.

Fitsinjovana ireo mpiteraka

Azo ampiterahana ny CSBII Analampotsy. Misy ny salle d'accouchement andraisana ireo reny handray ny zanany, ary koa ireo efitra misy fandriana ho an'ireo mpiteraka hatrany. Manana sampan-draharaha misahana fitsaboana vonjy taitra ihany koa ity CSB II ity, izay ahafahan’ireo tra-pahavoazana tampoka misitraka ilay « fond d’urgence » napetraky ny Fitondram-panjakana. Hampihena betsaka ny taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana ihany koa ny fisian’izao fotodrafitrasa izao manarapenitra izao.

Fampiantranoana ireo mpiasa

Efa misy moa ny trano izay natokana handraisana ireo mpiasan'ny fahasalamana miandraikitra ny CSBII Analampotsy. Izany no natao dia mba iarovana azy ireo sady isorohana ny fiandrasan'ny marary ela loatra raha sendra misy ny vonjy aina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo