• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Msp_Chusspa
Image
Vaovao

CHUSSPA : Ho apetraka ao anatin’ny fomba fiasa ny haitao ara-kajy mirindra

25/05/2023 19:53 © Moov.Mg

Anio no nanomboka ny fankalazana ny faha 90 taona niorenan’ny Centre Hospitalier Universitaire de Soins et de Santé Publique Analakely.

Nandritra izany fankalazana izany no niresahana ireo vinan’ny CHUSSPA ho amin’ny ho avy. Nanamarika ny fotoana ihany koa ny fampahafantaran’ny tompon’andraikitra ny fomba fiasa eo anivon’ity hopitaly ity.

Fanatsarana ny fitantanana ny hopitaly

Ao anatin’izao fankalazana ny faha 90 taona niorenan’ny hopitaly izao dia fantatra fa hiroso amin’ny fanatsarana ny fitantanana izany ireo tompon’andraikitra. Manomboka izao dia ho ampidirina amin’ ny fomba fitantanana ny hopitaly ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra na ny « digitalisation ».
Hevitra iray ahafana manatsara ny fomba fiasa, fa indrindra ihany koa ahafahana manatsara ny fandraisana an-tànana ny fahasalaman’ny vahoaka izany. Marihina fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena ihany koa ny fampiasana io haitao ara-kajy mirindra io eny anivon’ireo birao miankina amin’ny fanjakana.
Raha ny fahasalamana manokana no resahana dia hita fa fomba iray ahafahana mametraka ny fahasalamana manakaiky vahoaka sy manamora izany fisitrahana izany ny haitao ara-kajy mirindra.

Fitazomana ny kalitaon’ny fandraisana ny marary

Araka ny nambaran’i Vololona Rakotomalala, talen’ny hopitaly CHUSSPA dia olona eo anelanelan’ny 300 ka hatramin’ny 500 eo no raisin’izy ireo isan’andro. Tsimaintsy hajaina anefa io isa io mba ahafahana miantoka izany kalitaon’ny fandraisana marary izany.
Eny, « efa manana samy manana ny isan’ny olona ho raisiny isan’andro ny dokotera tsirairay ka izay mihoatra dia miverina amin’ny fotoana manaraka ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo