• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Fernand Cello
Image
Vaovao

MIHAVA Tour Mananjary : "Zone Rouge" ny lapihazo efa nomanina

25/03/2023 17:37 © Moov.Mg

Minitra vitsy ihany no nomen'ny mpitandro filaminana anatanterahana ny hetsika Mihava Tour tao Mananjary, izay nokasain'i Siteny Randrianasoloniaiko sy ireo depiote namany.

"Tsy azo atao ny famoriam-bahoaka, izay no baiko midina", hoy ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Efa hatramin'ny maraina ny fifampiresahana teo amin'ireo depiote sy ny mpitandro ny filaminana. Nolazain'ireto farany fa tafiditra ao anatin'ny "ligne rouge" izay tsy azo ihoarana ny lapihazo izay tokony handraisana fitenenana. Niezaka nitady marimaritra iraisana ny roa tonta ka nahazo niditra ny faritra nisy ny lapihazo ihany i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany, tamin'ny 2 ora tolakandro teo ho eo. Misy moa ny fepetra tsy maintsy narahina. Teo ho eo amin'ny folo minitra ihany ny kabary azo natao teo ambony lapihazo. Voatery nanohy ny fandraisam-pitenenana teny ambony fiarany moa ny lehilahy avy eo.
Nanamarika ny lahateny nataon'i Siteny Randrianasoloniako moa ny fanambarana fa misy ny tsy fanajana ny lalam-panorenana sy ny demokrasia eto amin'ny firenena. Araka ny nambarany dia tsy mazava ny antony anakanana azy tsy hamory vahoaka, nefa ny antoko TIM tarihin'i Marc Ravalomanana dia tsy nanana olana raha ny androany manokana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo