• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Ecole_D'Assas
Image
Vaovao

Teleferika : Hatomboka tsy ho ela ny asa

02/02/2023 17:18 © Moov.Mg

Tsy ho ela intsony dia hanomboka ny asa fametrahana ny teleferika eto Antananarivo Renivohitra. Raha ny fandroson’ny fanomanana no jerena dia « tsisy sakana intsony ny fahafahana manomboka ny asa », hoy ny voalaza ao amin’ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra.

Tsy ela akory fa ny talata 31 janoary lasa teo no nankatoavin’ny banky Société Générale ny famoahana ny ampaham-bola voalohany hanaganana ny zotra volomboasary izay hampitohy an’Anosy, Soano, Ankorondrano, Ivandry, Analamahitsy ary Ambatobe.
Izany firosoan’ny toe-draharaha izany indrindra no nahatonga ny filan-kevitry ny Minisitra nanapa-kevitra ny hampahafanatatra ny fivoaran’izany asa fanamboarana izany. Fantatra ary fa efa tonga eto Madagasikara ireo fitaovana toy ny andrimby lehibe sy ny fototra hananganana ny tobim-piantsonana. Efa vita tanteraka ary efa miandry ny fandefasana azy eto an-toerana ihany koa ny kojakoja sy ny fampitaovana rehetra ilaina amin’ny tombim-piantsonana na ny gara. Eo ihany koa ireo andrimby miisa 7 hatsangana eo anelanelan’ny fiantsonana Anosy sy Soarano.
Ankoatra izay dia fantatra fa efa andalam-pamitana ny famokarana ireo « cabines » hitondra ny mpandeha. Ao ihany koa ny milina hampiodina ny teleferika ary ny tariby hisintona ny fitaterana. Rehefa vita ny asa fanamboarana dia hotaterina aty Madagasikara izy ireo. Ary farany dia efa lasa ny kaomandin’ireo fampitaovana ilaina amin’ny ampahany Soarano – Ankorondrao ARTEC sy Ankrondrano ARTEC – Ambatobe.
Ho an’ny eto Antananarivo manokana kosa dia fantatra fa efa miditra amin’ny fanomanana ny toerana hananganana ny tobim-piantsonana ny tompon’andraikitra. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fanapahana hazo sy ny fananganana ny fototry ny trano, ary ny asa maro samihafa. Tsiahivina fa ny orinasa POMA sy ny COLAS no manatanteraka izany asa rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo