• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Maherylantomanandafy
Image
Vaovao

Malama : Sazy roa taona am-ponja hafa indray

02/02/2023 07:20 © Midi Madagasikara

Nandeha ny fitsaràna ady heloka tsotra an’i Mahery Lanto Manandafy noho fanalam-baraka ilay teratany vahiny izay notanany ho ao ambadiky ny fampidirina sy fivarotana fitaovam-piadiana an-tsokosoko.

Tamin’io raharaha io dia mazava hoazy fa ilay teratany vahiny no nitory. Tsy io ihany anefa no raharaha nitsaràna an’i Malama omaly fa mbola nandeha tao Anosy koa ny momba ilay polisy miasa eo anivon’ny prezidansa azy. Teo indray dia voasazy 18 volana sazy mihatra i Mahery Lanto Manandafy. Koa satria ny sazy mavesatra indrindra no ampiharina dia ny roa taona izany no tena hitazomana azy an-tranomaizina. Raha tsiahivina dia vao ny voalohandohan’ity taona ity koa no nosamborina indray izy raha vao vita ny fitànana am-ponja vonjimaika azy. Io indray dia mahakasika ny fitorian’ny mpitsabo izay sady senatera teo aloha mahakasika ny fanelezana vaovao tsy marina dia ny filazàna izany fa maty ilay mpitsabo. Noeritreretin’ny maro fa mba efa nilamina iny raharaha iny rehefa niala tsiny am-pahibemaso i Malama. Kinanjo nandeha ihany ny raharaham-pitsaràna ary voampanga izy.

Avy eo nolazaina fa tsy hita ny tenany ary dia navoaka ny baiko fisamborana izay efa ho herintaona taty aoriana vao notontosaina, izany hoe rehefa avy nidoboka am-ponja izy noho ny raharaha hafa. Malama dia fantatra noho ny famoahany dosie maro eo amin’ny tambajotra sosialy ary koa ny tsy fankatoavany ny politika misy ankehitriny. Raha noeritreretin’ny maro ho sazy politika ny antony namonjana azy, toa lasa zavatra hafa mihitsy no niseho.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo