• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Mtfp
Image
Vaovao

Ady amin'ny kolikoly : Nanao fanambaram-pananana ireo tale eo anivon'ny METFP

01/02/2023 20:21 © Moov.Mg

Notanterahina anio Alarobia 01 febroary 2023 tao amin'ny Bianco Ambohibao ny fanaterana ny fanambaram-pananan'ireo tale ao amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa.

Izao fanambaram-pananana izao dia voatondro ao amin'ny lalàna ary tsy maintsy atao mba ho fitandroana ny asam-panjakana, hiadiana amin'ny kolikoly ary hampangaraharaha ny ambaindain'ny fananan'ny tsirairay avy araka ny nambaran'ny Tale Jeneralin'ny Bianco.

Nisolo toerana an-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministra tompon'andraikitra tamin'ny fitarihana ireo delegasiona Ramatoa Sekretera Jeneraly.

Marihana moa fa efa misy ny sampana natsangana izay natao handraisana ireo fitarainana ny kolikoly miseho amin'ny endriny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo