• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny_Fiarovam-Pirenena
Image
Vaovao

01 febroary : Faha-60 taon’ny ENSOA Antsirabe

01/02/2023 09:46 © Moov.Mg

60 taona anio no niorenan'ny ENSOA Antsirabe. Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana ny fankalazana izany.

Ankalazaina anio voalohan’ny volana febroary ny faha-60 taon’ny Sekoly fanofanana ho manamboninahitra lefitra na ny Ecole Nationale des Sous-Officiers de l’Armée (ENSOA) ao Antsirabe. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa araka izany ny fankalazana ny andron’ny manamboninahitra lefitra.
Raha tsiahivina dia ny 01 febroary 1963 no nanorenana ny Corps de service civique tao Fort-Duchesne Antananarivo, izay tsy inona fa fiantsoana ny ENSOA tany amboalohany. Norasaina tamin’ny 28 novambra 1962 ny didim-panjakana laharana 62-623 izay nanorina izany sekolin’ny manamboninahitra lefitra izany.

Napetraka ny taona 1994 kosa ny anarana ENSOA izay fiantso ity sekoly ity mandraka ankehitriny. Izany indrindra no anton’izao fankalazana indroa mian-taona izao, hoy hatrany ny fanazavan’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenenana. Miarahaba ireo manamboninahitra lefitra ary ny eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena amin’izao fankalazana izao satria izy ireo tokoa no « antoka ahazoana vokatra tsara eny an-kianja ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo