• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef Madagascar
Image
Vaovao

Fahasalamana : Faritra dimy any atsimo hisitraka fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny lefakozatra

10/08/2026 16:19 © Moov

Nosokafana androany 10 Aogositra 2026 tao amin’ny Faritra Androy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny lefakozatra. Mandritra ny 4 andro, izany hoe ny 11 ka hatramin’ny 14 Aogositra 2026 no hanatanterahana ity hetsika, karakarain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy ity. Faritra dimy any atsimon’i Madagasikara no misitraka izany.

Faritra dimy no voakasika

Ny faritra Androy, Anôsy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana ary Ihorombe no hisitraka izao hetsika fanaovam-baksiny izao. Tany Ambovombe no nanaovana ny lanonam-panokafana ofisialy, izay natrehin’ny Préfet an’Ambovombe-Androy, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Faritra sy ny sampan-draharaham-pahasalamana, ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatry ny vaksiny. Ny zaza vao teraka ka hatramin’ny dimy taona moa no tena kendrena, indrindra manoloana ny fisian’ny tranga vao haingana nahitana zaza tsy mbola nahazo vaksiny voan’ny lefakozatra.
Ankoatra ireo tobim-pahasalamana sy ireo toerana manokana natokana ho an’izany, dia hitety isan-tokantrano ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana, mba hahazoana antoka fa voakasiky ny hetsika avokoa ny ankizy rehetra.
Anisan’ireo rafitra manohana ny hetsika ny UNICEF, ny OMS, ny UNFPA ary ny ASOS. Nanatrika ny lanonam-panokafana ihany koa ny Tale Nasionalin’ny Fandaharanasa Fanitarana ny Vaksiny (PEV), Dr Tsivahiny Paubert.

Zaza tsy mbola vita vaksiny voan’ny lefakozatra

Manoloana ny loza mbola ateraky ny lefakozatra, dia zava-dehibe ny fanamafisana ny fandrakofam-baksiny. Zaza iray izay tsy mbola nahazo vaksiny mihitsy no voan’ny lefakozatra tao Betioky tamin’ny volana Jona 2026, araka ny vaovao farany. Mampatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny izany, na dia efa nambara tamin’ny volana Mey 2025 aza ny fiafaran’ny valanaretina lefakozatra avy amin’ny poliovirus karazana 1 teto Madagasikara.
Manamafy hatrany ny UNICEF fa ny vaksiny no fomba lehibe indrindra hiarovana amin’ity areti-mifindra ity, izay mety hiteraka fahasembanana maharitra.
Manentana ny ray aman-dreny sy ireo izay mety ho mpitaiza rehetra araka izany ny tompon’andraikitra mba handray ireo mpiasan’ny fahasalamana mandritra izao hetsika izao. Tanjona ny tsy hisian’ny zaza tavela, indrindra ireo any amin’ny toerana saro-dalana, ary ny hisorohana ny fiparitahan’ny lefakozatra indray.



Lire la suite

Articles Similaires