• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bianco
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Fifohazana FJKM maherin’ny 1 000 nomen’ny BIANCO fiofanana

09/08/2026 11:53 © Moov.Mg

Tsy afa-misaraka ny finoana kristianina sy ny ady amin’ny kolikoly, hoy ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO), izay nanatanteraka fanentanana sy fampiofanana ho an’ireo Mpiandry sy mpiofana ho Mpiandry mihoatra ny 1 000 isa avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara.

SAFIF FJKM miatrika ny kolikoly

Notanterahina omaly sabotsy 8 aogositra 2026, tao amin’ny Toby FJKM Kristy Manafaka Ibora, Kaominina Anjalazala, Distrikan’Antsohihy, ity fiofanana ity, nandritra ny “Isan-keritaona faha-34-n’ny Toby Ibora”, nokarakarain’ny Sampana Fifohazana (SAFIF) FJKM. Ny tale jeneralin’ny BIANCO, Razakamanatsoa Gaby Nestor, no nitarika ny fampiofanana.

“SAFIF FJKM miatrika ny kolikoly” no lohahevitra novelabelarina, ka nifantoka tamin’ny famaritana ny kolikoly sy ireo fandikan-dalàna mifandraika aminy, ny antony mahatonga izany ary ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, ny fampahafantarana sy fanentanana natao.

Fandraisan'andraikitry ny rehetra

Nazavain’ny tale jeneralin'ny BIANCO fa anisan’ny fototry ny kolikoly ny fitiavan-tena, izay mety hitarika amin’ny fitiavam-bola tafahoatra sy ny fanararaotana ny hafa. Nampifandraisiny tamin’ny fampianaran’ny Soratra Masina izany, ka nanononany ny yeny voasoratra ao amin'ny 1 Timoty 6:10, izay miresaka indrindra ny momba ny fitiavam-bola.

Araka ny nambaran'ny avy eo anivon'ny BIANCO, dia ilaina ny fandraisan’anjaran’ny sehatra ara-pivavahana amin’ny fanabeazana sy fanentanana. Misy mantsy ireo olona no tsy mahatsapa akory fa kolikoly ny fihetsika sasany ataony na hitany, noho izany efa zary lasa fahazarana eo amin’ny fiarahamonina. Tsy mijanona amin’ny FJKM ihany moa ny fiaraha-miasa, fa mivelatra amin’ny fiangonana samihafa. “Isika miara-mandray andraikitra no mandresy ny kolikoly”, hoy ny BIANCO.

Lire la suite

Articles Similaires