Madagasikara – Japon : Fiaraha-miasa mamaly ny filàn’ny malagasy eny ifotony
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Salon du Japon, hetsika iray tafiditra ao anatin’ny “One country, one day” izay karakarain’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny. Ity hetsika ity dia manamafy ny fifandraisana akaiky sy maharitra eo amin’i Madagasikara sy Japon.
Fiarahamiasa mitondra fandrosoana
Efa ampolotaonany maro ny nisian’ny fifandraisana ara-diplaomatika teo amin’i Madagasikara sy i Japon. Maro ireo sehatra hiaraha-miasa izay mitondra fampandrosoana, satria misy fiantraikany mivantana amin’ny mponina eny ifotony, hoy ny Minisitra, Rasata Rafaravavitafika. Ankehitriny, efa mivelatra amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, fanabeazana, fotodrafitrasa ary fitantanana ny fiaraha-miasa.
Isan’ny tombony azon’ny malagasy tamin’izany fiaraha-maisa izany, raha ny ohatra noraisin’ity Minisitra ity ny lalana maharitra navaozin’izy ireo. Eo ihany koa ny fampivoarana ara-ekonomika samihafa, satria manana orinasa maro eto Madagasikara ny japoney. Voalaza ho tombony amin’ny fiarahamiasa ihany koa ny fifanampiana eo amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena. Nosainganiny manokana amin’izany ny fambolem-bary, izay hiarahana amin’ny fandaharan’asa PAPRIZ.
Salon du Japon : hitrandrahana fiarahamiasa vaovao
Ankoatra ireo efa vokatra azo ireo dia mbola maro no azo trandrahina, hoy hatrany ny Minisitra. Anisan’ny tanjona lehibe amin’ity Salon du Japon ity ny hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandraisana mivantana eo amin’ny mpandraharaha, ny orinasam-panjakana sy ny tsy miankina. Manana toerana stratejika, harena voajanahary ary tanora betsaka manan-talenta i Madagasikara, ka manokatra lalana ho an’ny orinasa japoney izany.
Nankasitraka ny fandraisana anjaran’ireo mpiara-miombon’antoka maro ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ary nanambara fa: “Eto no manomboka indray ny hoavin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Japon, amin’ny alalan’ny fifampiresahana, fiaraha-miasa ary fanavaozana.”
Araka izany, ity Salon du Japon ity dia tsy vitan’ny hetsika ara-diplaomatika fotsiny, fa sehatra lehibe mampiray tanjona, manamafy fifandraisana, ary mampisongadina ny vinan’i Madagasikara, izay mitady mpiara-miombon’antoka matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.