Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 7 hatramin'ny 13 jolay 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 7 hatramin'ny alahady 13 jolay 2025.
BEPC 2025 # Nivoaka ny valim-panadinana manerana an'i Madagasikara
Roa andro taorian'ny fiafaran'ny fanadinana BEPC 2025, izany hoe ny sabotsy 5 jolay dia efa nanomboka nivoaka ny valim-panadinana. Ny faran'ny herinandro teo kosa no namoaka ireo vokatra faramparany ny avy eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, ka anisan'izany ny teto Antananarivo Renivohitra, Avaradrano ary Atsimondrano.
Ho an'ny DREN Boeny, 56,38% ny taham-pahafahana. Ny tao Mahajanga II no nahitana taham-pahafahana ambony indrindra, dia 66,16%. Somary latsaka kosa ny voka-panadinana tao Mitsinjo, satroa 43,76% ny taham-pahafahana.
BEPC 2025 Mananjary # 19,17/20 ny Moyenne ambony indrindra
Fifaliana Valimbavaka Liane, 15 taona, mpianatry ny Collège Victoire Rasoamanarivo, no nahazo ny Moyenne ambony indrindra tao amin'ny CISCO Mananjary. Azo lazaina izany fa saika nahazoany 18 hatramin'ny 20/20 avokoa ny taranja rehetra niadinana. Marihana moa fa ny marainan'ny alakamisy 10 jolay lasa teo no nivoaka ny valim-panadinana BEPC 2025 tany Mananjary.
Zanak'olona tsotra, mpivarotra entana madinidinika eny amin'ny stand Bazar kely ambany Andovosira ireo Ray aman-dReniny. Na dia eo aza ny fasahiranana hoy ny Rainy dia nilofosan'izy ireo hatrany ny fampianarana ity zaza ity tamin'ny sekoly tsara. Tanjon'izy ireo ihany koa ny hahatafita ilay tovovavikely hatreny amin'ny Ambaratonga Ambony.
Fanapoizinana teny Ambohimalaza # Tafakatra 29 ny isan'ireo maty
Raha 50 mahery ny isan'ireo nasaina tamin'ilay tsingerintaona nahaterahana teny Ambohimalaza Imerikasinina, saika nodimandry ny antsasak'ireo olona ireo. Tafakatra 29 ny isan'ireo namoy ny ainy, ary mbola misy marary miady mafy amin'ny fahafatesana.
Nodimandry ny sabotsy 13 jolay i Tiavina, raim-pianakaviana 24 taona, rehefa notsaboina teny amin'ny HJRA nandritran'ny iray volana latsaka 3 andro. Tsy niova mihitsy ny fitsaboana natao, ary ny oxygène fotsiny no nitazona ny ain'ny marary, araka ny nambaran'ny fianakavian'i Tiavina. Mbola tsaboina eny amin'ny HJRA moa ny vadiny hatramin'izao, ary ahiana ihany koa ny ainy. Manao antso avo ny amin'ny hitadiavana vahaolana haingana ny havan'ireo marary mbola tsaboina eny amin'ny HJRA.
Fanapoizinana tany Ikalamavony # Tra-tehaka ireo mpanao ratsy
Raha tsiahivina, nisy mpivady mpandraharaha nodimandry tany Ikalamavony, tamin'ny volana marsa : 12 sy 15 marsa. Nametraka fitoriana ny fianakaviany rehefa niahiahy taorian'ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga nandritra ny fankalazana ny 8 marsa tany Voegnana, Solila.
Nody ventiny ny fikarohana nataon'ny mpitandro filaminana na dia naharitra amam-bolana vitsivitsy aza, ka olona miisa 6 no nohenoin'ny Fitsarana tao Fianarantsoa. Nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy miisa 2 tamin'izy ireo ary vehivavy miisa 4 hafa kosa notanana am-ponja any Ankazondrano miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Mbola tsy navoaka ampahibemaso kosa nefa ny tena antony nikendren'ireo mpanao ratsy an'izy mivady.
Ady amin'ny Tazomoka any Ikongo # Tohanana amin'ny lafiny rehetra ny mponina
118 no isan'ireo maty tany Ikongo, noho ny tazomoka. Manao ny ezaka rehetra tsy hampitombo intsony ny isan'ireo mamoy ny ainy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny BNGRC, ka maromaro ireo hetsika tanterahina.
Misitraka fanampiana ara-pivelomana nandray anjara tamin'ny asa fanadiovana tao Mangarivotra sy Ambatoharanana. Ny fanadiovana ny lakandrano sy ny fanalana ny lobolobo no tena nimasoana tamin'izany. Nisy ihany koa ny fizarana CVO ihany isan-tokantrano mba hanampy ny hery fiarovana ho an'ny mponina mba tsy hahamora ny fazahoana ny Tazomoka. Tsy adino nyfanomeana lay na moustiquaire. Tsy ny ara-pahasalamana ihany izany no jerena akaiky fa zava-dehibe ihany koa ny sosialin'ny mponina.
Fitsidihana ofisialy an'i Sainte-Marie # Nahazo tombony mivantana ireo mponina
Nanomboka ny alakamisy 10 jolay lasa teo ny fitsidihan'ny filoham-pirenena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny Governemanta an'i Sainte-Marie. Nisy ny fitokana fotodrafitrasa maromaro, ka anisan'izany ny lalana. Mikasika ny angovo kosa, nametrahana parc solaire vaovao 1MW izay notokanantsika eto Sainte Marie ity. Tsy hisedra délestage intsony ny vahoaka. Ho foana araka izany ny fahasahiranan'ny vahoaka ateraky ny tsy fahampiana jiro. Marihana fa nisitraka fanampiana ara-tsosialy ihany koa ireo fianakaviana marefo.
Nanatrika ny fanokafana ny Festival des Baleines 2025 moa ireo tompon'andraiki-panjakana ambony, ka ny Carnaval lehibe no nanombohana ny hetsika, ny zoma 11 jolay lasa teo.
Seranampiaramanidina Ivato # Vato sarobidy nafenina tanaty lavaka fitombenana
Vato sarobidy Rubis milanja 59,3 grama no nafenina lehilahy teratany "thaïlandais". Ny sabotsy 12 jolay lasa teo no saika hiondrana any Bangkok ny tenany. Rehefa nandalo fitsirihana tamin’ny “body scan” ity "thaïlandais" ity dia nahatsikaritra zavatra tsy ara-dalàna ny mpiasan’ny Agence Nationale Anti-Fraude (ANAF) ka nampandre ny Fadintseranana Malagasy. Hita tamin'ilay fitaovana avolenta fa misy zavatra mampiahiahy teo amin'ny faritry ny valahany. Nalefa teny amin'ny hopitaly Soavinandriana ilay mpandeha, ka tao no nanesorana ireo vato niafina tanaty fitombenany. Miisa 54 moa ireo vato nesorina tamin'izany.
Kolontsaina Antananarivo # Fanolorana mariboninahitra an'i Sahondrafinina
Notolorana ny mariboninahitra "Officier de l'ordre national malagasy" Itompokovavy SAHONDRAFININA Zanany, Mpihiragasy. Izy moa dia mpanorina ny tarika Sahondrafinina eny Fenoarivo. Ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna no nisolo tena ny Filohan'ny Repoblika Malagasy tamin'ny nanolorana izany mariboninahitra izany. Teny amin'ny Kianjan'ny Kanto Anosy moa no nanatanterahina ny lanonana, ka nentina tao an-toerana ny vatana mangatsiakany, ny alarobia 9 jolay lasa teo.
Tsiahivina fa ny taona 2015, fony fahavelony dia notoloran'ny Fitondram-panjakana ny Mari-boninahitra " Chevalier de l' ordre national malagasy" ny tenany noho ny asa kanto vitany.
Kolontsaina Mahajanga # Fanompoambe Sakalavan'i Boeny 2025
Tontosa ny alatsinainy 7 hatramin'ny zoma 11 jolay lasa teo ny hetsika ara-kolontsaina "Fanompoambe 2025", tao Tsararano Ambony. Tsy inona izany fa Fitampoho an'ny Sakalavan'i Boeny. Fikarakarana ireo ampaham-batan'ireo Ampanjaka Andriamisara efa-dahy manankasina moa no natao tamin'izany. Efa am-bolana maro moa no nanomanana io lanonambe io, ka anisan'izany ny fanadiovana ny faritry ny Doany Miarinarivo Mahajanga I. Nisy ihany koa ny fikarakarana ny "Toamainty", izay fangarona tantely nandrahoina tamin'ny toaka. Io Toamainty io no natambatra tamin'ny Ranon'i Betsiboka ka nanadiovana ireo "répliques" an'Andriamisara efa-dahy.
Samy nanolotra fanomezana ireo mpanotrona, dia vola na omby. Novonoina natao nofonkena mitam-pihavanana avokoa moa ireo omby rehetra naterina tao amin'ny Doany Miarinarivo.
Ala mando Atsinanana # Tsy tandindomin-doza intsony
Tsy ao anatin'ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza intsony ny ala mando Atsinanana. Fanapahan-kevitra lehibe noraisin’ny Komitin’ny Vakoka Iraisam-pirenen’ny UNESCO tany Paris izany, izay mariky ny fankasitrahana ny ezaka nataon’i Madagasikara tamin’ny fiarovana sy fanarenana io vakoka voajanahary io.
Dingana iray manan-tantara izy io ary hahafahantsika mampiroborono ny fizahan-tany, manamafy ny fampiasam-bola amin’ny asa eny ifotony fa indrindra ny fampandrosoana maharitra ho an’ireo mponina manodidina ny izao.
Mitohy ny ezaka. Manentana ny rehetra ny MEDD hiaro, hanavao, ary hanome lanja ny haren’i Madagasikara ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho an’ny ho avy.
Fiarovana ny Tontolo iainana # Nandray anjara tamina fivoriana goavana tany Allemagne i Madagasikara
Nandray anjara tamin'ny fivoriana faha-62-n'ny "organes subsidiaires de la Convention-Cadre des Nations Unies sur les Changements Climatiques" (CNUCC) i Madagasikara. Nisy ny adihevitra, atrikasa, hetsika manokana sy fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny delegasiona malagasy, izay niresahana lohahevitra maro manan-danja toy ny fanalefahana sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro, ny famatsiam-bola ho an’ny toetrandro, ny fatiantoka sy fahavoazana (loss & damage), ny rafitra ara-barotra, ny fahaiza-mitantana, fitovian’ny lahy sy vavy ary REDD+.
Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny COP30 izay hatao amin’ny volana novambra 2025 any Belém – Brésil izao hetsika izao.
Fiarovana ny harena voajanahary # Hampiasa fitaovana avolenta ny MEDD
Manamafy ny firosoany amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny harena voajanahary ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Ny 11 jolay lasa teo, nampahafantarina amin'ny fomba ofisialy ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny faritra arovana, ka anisan'izany ny ala honko. Ny Drone sy ny télédétection (fakan-tsary an'habakabaka) no ampiasaina amin'izany.
Nisy ny atrikasa nasionaly nentina nanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo teknisianina, izay niarahana tamin'ny Durrell Wildlife Conservation Trust sy ny Aviation Civile de Madagascar.