• Cours de change
  • 5112.33 AR
  • |
  • $4413.43 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Andro maneran-tany ho an'ny mponina : Tanora, tokony hanana ny safidiny amin’ny fanorenany fianakaviana

11/07/2025 16:03 © Moov

Ankalazaina isaky ny 11 jolay ny andro maneran-tany ho an’ny mponina. Tamin’ity taona 2025 ity dia niompana tamin’ny lohahevitra hoe « Omeo ny tanora ireo fomba hanorenany fianakaviana araka ny safidiny, ao anatin’ny tontolo marina sy feno fanantenana ». Toy ny firenena samihafa dia mankalaza izany ihany koa i Madagasikara.

Fanohanana ny tanora

Mamaritra ny atsasa-manilan’ny Malagasy ny tanora, izany hoe manodidina ny 65% ny mponina izany, raha ny taona 2024. Mitana anjara toerana betsaka eo amin’ny fiaraha-monina araka izany ny tanora. Ity lohahevitra ho an’ny taona 2025 ity dia manome vahana azy ireo, mba hahafahany manana ny safidiny amin’ny fizotran’ny fiainany. Maneran-tany, araka ny tatitra momba ny mponina maneran-tany, 2025, dia tsy mifanaraka amin’ny fenitra ara-tsosialy ho an’ny mponina ny fifehezana ny fiterahana sy ny fananahana.
Miaina zavatra toy izany ihany koa ny tanora Malagasy. « Lasa tsy manana ny safidiny izy, noho ny sakana ara-toekarena, kolontsaina, tsy fahampian’ny tohana ara-tsosialy, sy ny tsy fahampian’ny fikarakarana ara-pananhana ka misy fiantraikany amin’ny fandrindrana sy fampivoarana fiainam-pianakaviana », hoy ny Minisitra ny mponina sy ny firaisan-kina, Razafinjato Aurélie. Izany hoe mbola ady lehibe, ho an’ny tanora, ny mba ho afaka hisafidy ny hanana ny fianakaviany sy ny fomba hitondrany ny fiainany.

Asa hiaraha-manatanteraka

Manoloana ireo sakana samihafa ireo dia mila tohanana sy omena vahaolana ireo tanora malagasy ireo. Tsy vitan’olon-tokana anefa ireo asa ireo. « Tokony samy handray ny andraikiny hamela malalaka ny tanora hanana ny safidiny ny rehetra », hoy hatrany ny Minisitra, tamin’ny lahateniny. Izany dia mba hahafahan’izy ireo mampivoatra ny momba azy, izay mitohy amin’ny firenena manontolo.
Ankoatra izay dia nanamafy ity Minisitra ity fa efa manana paikady hampivoarana ny maha-olona ny tsirairay, izy ireo. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana ho an’ny tanora sy isan-tokantrano. Manampy izany ny fanatsarana ny fahasalamana ara-pananahan’izy ireo. Eo ihany koa ny fanajana ny miralenta, ny fanomezana asa azy ireo ary fampandraisana anjara azy ho amin’ny fampandrosoana. Raha tsiahivina moa dia lohalaharana ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny mahaolona sy fampivoarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires