• Cours de change
  • 5112.33 AR
  • |
  • $4413.43 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Hatsaraina ireo lalana maro ao amin’ny faritanin’i Toamasina

11/07/2025 11:54 © Moov

Notanterahina tao amin’ny Nosy Sainte Marie, ao amin’ny faritanin’i Toamasina ny filan-kevitry ny Minisitra, omaly, alakamisy 10 jolay. Tao anatin’izany dia nankatoavina ny fikojakojana ireo lalana maro ao anatin'io faritany io.

« Route du soleil »

Isan’ny toerana handalovan’ny « Route du Soleil » i Toamasina ary voaresaka nandritra ity filan-kevitry ny Minisitra ity ny ampahany mandalo ao. Ho arenina sy hokojakojaina ao anatin’ny asa ny RNS11A mampitohy an'i Vatomandry sy Ambalamangahazo, isan’ny handalovan’ity Route du Soleil ity eo amin’ny PK53+000 hatramin'ny PK96+000. Toy izany ihany koa ny eo amin’ny RNT 11 eo anelanelan'i Salehy (PK173+000) sy Mahanoro (PK184+000).
Tsiahivina fa mirefy 1 950 km ity Route du Soleil ity. Hampitohy mivantana an’i Taolagnaro amin’Ambilobe ity tetikasa ity. Izany hoe hampifandray ny Atsimo amin’ny tapany Avaratra, amin’ny alalan’ny tara.

Tanànan’i Toamasina

Ankoatra ny lalana ao amin’io tetikasa lehibe io dia isan’ny voaray tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fanarenana ireo lalana samihafa ao amin’ny tanànan’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny fikojakojana ny ampahan-dalana anelanelan'i Mangarano makany amin'ny RNS5, anelanelan'ny PK 0+000et PK 5+600 ao amin'ny tananan'i Toamasina. Eo ihany koa ny lalana mampitohy ny Boulevard RATSIMILAHO sy lalana Ivoloina.
Ankoatra izay ireo fotodrafitrasa toy ny fametrahana "pont métallique modulaire" mirefy 48m Sahandahatra eo amin'ny PK 12+200 sy ny fanamboarana ny tetezana 80m eo Sahanary, Distrikan'i Mahanoro, izay noraisina ho asa maika.
Manampy ireo ny fanamboarana ny tetezana 100m eo Ambalafatsy, distrikan'i Mahanoro, ny asa fanajariana ny RNT23 sy ny asa fanamboarana ny tetezana Ampitakihosy. Tafiditra ao ihany koa ny asa fanajariana ny lalam-pirenena RNT20 mampitohy an'llaka Est sy Antanambao Manampotsy.

Faritra manodidina

Hisitraka fanarenana sy fikojakojana isan-karazany ihany koa ireo faritra manodidina ny Toamasina. Ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ohatra ny fikojakojana ny RNT3A anelanelan'ny PK 29+500 sy Pk 31+000 aorian'ny Ampasikely.
Asa fikojakojana ny lalana ao amin'ny tananan'i Tanambe sy fanajariana ny RNT23A anelanelan'i Moramanga# Anosibe Anala (PK 6+000) sy (PK71+000) ary ny asa fanamboarana ny tetezana RNP2 kaominina Sabotsy Anjiro
Faritra Analanjirofo :
Fikojakojana ny lalam-pirenena RNS5 mampitohy an'i Sahorana Fenoarivo Atsinanana PK 94+965 sy Soanierana Ivongo (alohan’ny 26 juin 2026). Manampy izany ny asa fikojakojana ny Bakan'i Vohilengo sy ireo lalana RP13A eo anelanelan'ny Fenoarivo Atsinanana sy Vohilengo. Farany ny fanamboarana ny tetezana mampitohy ny kaominina Miorimivalana sy Ambodihasina
Faritra Ambatosoa :
Fanajariana ny lalana Mananara Avaratra hatrany Maroantsetra, izay noraisina ho laharam-pahamehana.

Lire la suite

Articles Similaires