• Cours de change
  • 5191.45 AR
  • |
  • $5191.45 AR
Copyright Image : © Projet Purpa
Image
Vaovao

Bongolava : Vehivavy miisa 100 vonona hiroso amin’ny fanovàna amin’ny alalan’ny fiofanana

02/07/2025 15:11 © Moov

Vehivavy 100 no mandray anjara amin’ny fampiofanana karakain’ny tetikasa PURPA ao Bongolava, nanomboka ny alatsinainy 30 jona 2025, teo. Tanjon’ity hetsika ity ny hanomezana fahaleovantena ny vehivavy amin’ny alalan’ny fahaiza-manao amin’ny fanodinana ny vokatra misy eny an-toerana.

Vehivavy : mpitarika fandrosoana

Fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fanofanana natao ho an’ireo vehivavy ambanivohitra ity tao Bongolava ity sady andiany voalohany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PURPA ny hetsika, izay miaraka amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE) ary tohanan’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), vola. Ny tanjona dia ny hanome fahalalana ho an’ireo vehivavy mba hahafahany manodina vokatra toy ny mangahazo, vomanga, sorgho, soja ary voanjo ho lasa lafarinina na menaka.
Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Foko 18 ireto vehivavy miisa 100 voalohany ireto. Hamafisina ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hahafahana manome fahaleovantena azy ary hanampy azy amin’ny fandraharahana.
Resahina ao anatin’ny fampiofanana ny mikasika ny fandraharahana ara-pambolena, miaraka amin’ny fampahafantarana ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ny toekarena ambanivohitra ary ny fampiroboroboana ny firaisan-kina amin’ny alalan’ny fifanarahana antsoina hoe “contrat d’agrégation”, ho fampandrosoana iombonana. Samy resy lahatra avokoa ireo tompon’andraikitra avy amin’ny MINAE sy ny PURPA fa « tsy asiana resa-be intsony fa ampiana ny vehivavy satria manana herijika hitondra fampandrosoana izy ireo ».

Tetikasa manome vahana ny vehivavy

Hatramin’izao dia efa mihoatra ny 120 000 ny tantsaha nahazo fanohanana, mihoatra ny 40 000 ny vehivavy mandray anjara feno amin’ny tontolo misy azy, ary 11 ny tetikasa notohanan’ny PURPA. Mampiavaka azy ny fomba fiasa mifantoka amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Nomarihina fa mbola hitohy amin’ireo faritra hafa hatrany ny fampiofanana ary hifantoka amin’ny fomba fitantanana sy ny fenitra amin’ny fanodinana sakafo indray izany.
« Mamolavola vehivavy iray dia midika ho fanovàna fiarahamonina iray manontolo", hoy izy ireo. Izany no antony hanofanan’ny tetikasa PURPA, vehivavy, ho matihanina amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fanodinana, izay mety hampiakatra ny kalitao, ary hampidina ny fahantrana.

Lire la suite

Articles Similaires