Ambositra : Tafakatra 17 ny isan'ireo namoy ny ainy
Mitombo hatrany ny isan'ireo nindaosin'ny fahafatesana noho ilay fanapoizinana ara-tsakafo nitranga ny alahady 22 jona tao Ambositra. 17 amin'ireo 24 niditra hôpitaly no namoy ny ainy.
Hatreto aloha, ny fihinanana "Charcuterie" nafangaro tamin'ny macaroni sy mayonnaise no heverina fa nahatonga ny loza. Na dia nanao izay ho afany aza ireo mpitsabo, na tao Ambositra na tao Antsirabe, 7 sisa ireo mbola velon'aina. 4 tamin'ireo maty no namoy ny ainy ny alahady 30 jona.
Tokantrano iray niara-ripaka
Tao anatin'ny herinandro monja dia nodimandry avokoa ny ankohonana kely iray, dia ilay tompom-pety. Nodimandry ilay zazalahikely nandray ny kominio voalohany sy ny ray aman-dreniny. Mbola notsaboina ny zokiny vavy saingy nodimandry ny alahady 29 jona.
Tontosa omaly 30 jona moa ny fandevenana ilay tovovavikely. Namoy ny ainy izany ny mpivady iray sy ny zanany mianadahy. Nisy mpirahavavy niara-maty, sady nisy mpirahalahy samy nodimandry ihany koa.
Sakafo simba
Nivadika poizina tokoa ilay sakafo nohanina, raha izao famoizan'ain'olona marobe izao no jerena. Efa eo am-piandrasana ny vokatry ny fitiliana moa ny rehetra, indrindra ny ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania izay mitaintaina fatratra. Voalaza moa fa nalefa any ivelany ireo "singa" nalaina tamin'ireo ambin-tsakafo.
Misy fiantraikany amin'ny fanjifana izao tranga izao. Tsy mandeha firy intsony mantsy ny hani-masaka eny an-tsena, na dia miezaka mampiseho aza ireo mpivarotra fa manaja ny fahadiovana. Mampihemotra ny mpividy ihany koa ireo karazan-tsakafo amin'ny boaty, indrindra ireo nafarana avy any ivelany. Mirona kokoa amin'ireo vokatra natoraly ireo mpanjifa, na dia nandritra ny fetim-pirenena teo aza.