• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Vaomieran'Ny Eveka Ho An'Ny Fifandraisan'Ny Mpiara-Belona
Image
Vaovao

Arsidiosezy Antananarivo : Voatendry ho eveka mpanampy ny Mgr Randrianifahanana Modeste

27/06/2025 09:39 © Moov.Mg

Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste, izay vikera jeneraly eto Antananarivo, no notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo. Omaly 26 jona 2025 no nanambarana ny vaovao tamin’ny fomba ôfisialy.

Zanak’Ambohitrimanjaka

Teraka tao Fiakarana Ambohitrimanjaka i Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste, ny 17 jona 1967, izany hoe : 58 taona izy ankehitriny. Randrianifahanana Georges no anaran’ny rainy ary Ravaorisoa Élisabeth no reniny. 14 mianadahy izy ireo no iray tam-po, ka izy no faha-11. Tany Ambohitrimanjaka ihany izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy, raha vao 10 andro monja. Tao amin’ny Paroasin’i Tsaramasay kosa no nandraisany voalohany ny Eokaristia, raha teny amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo no nandraisany ny Sakramentan’ny Fankaherezana.

Mialohan’ny nidirany teny amin’ny Seminera Zandriny, hanombohany ny dingana fiofanana maha-pretra, dia nianatra tao Miadana Ambohitrimanjaka izy, no ary nanohy ny fianarany tao amin’ny CEG Anosisoa Ambohimanarina. Ny taona 1983 ny Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste no niditra teny amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay ivon-toeram-piofanana nahazoany ny mari-pahaizana Bakalôrea Série C. Nanatanteraka ny adidiny amin’ny firenena, tamin’ny alalan’ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika (SN) izy, taorian’izay. Raha efa izay dia niofana tao amin’ny Seminera Aivo Ambohidratrimo izy ny taona 1988 hatramin’ny 1989 ; nianatra ny filôzôfia tany amin’ny seminera zokiny Antsirabe ary nandalina ny teôlôjia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar tao Ambatoroka, hatramin’ny taona 1998.

Niasa tany La Réunion

Ny 7 aogositra 1996 ny Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste no nohamasinin’i Mgr Armand Gaëtan Razafindratandra ho diakra, tao Ambohipo. Ny 6 septambra 1997 kosa izy no nohamasinina ho pretra, tao Amparibe Mahamasina. Teny manentana azy amin’ny famaliana ny antson’ny Tompo ny hoe : “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo”, Joany 2, 5.

Raha vao avy nohamasinina ho pretra ny Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste dia voatendry ho pretra aomonien’ny Fivondronan’ny Eokaristikan’ny Tanora sy aomonien’ny Vaomieran’ny litorjia teto amin’ny Diosezin’Antananarivo. Efa nitantana ny Seminera Aivo, tao Amboara Ambohidratrimo ihany koa izy. Voairaka hiasa tany amin’ny Diosezin’i La Réunion izy nanomboka ny taona 2003 ka hatramin’ny taona 2017. Rehefa tafaverina teto Madagasikara izy dia voatendry ho « curé » tao amin’ny Distrika misiônera Ambatolampy hatramin’ny taona 2020, ary voatendry ho minisitra tao amin’ny ekipan’ny mpanabe tao amin’ny Seminera Zokiny Antsirabe indray, hatramin’ny taona 2023. Nisahana ny andraikitra maha-vikera jeneraly teto amin’ny Diosezin’Antananarivo kosa izy ny taona 2023, hatramin’izao fotoana nanendrena azy ho eveka mpanampy eto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo izao.

Lire la suite

Articles Similaires