• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Economie

Jono : Hamafisina ny fanarahan-dalàna eny anivon’ireo mpanjono

07/06/2023 16:12 © Moov.Mg

Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Tafo Mihaavo, anio, ho fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna.

Mbola maro ireo mpisehatra amin’ny jono eto Madagasikara no tsy manaraka ny làlana mifehy io sehatra io. Voakasik’izany ireo mpanjon fa ao ihany koa ireo mpanangona sy mpivarotra vokatra ary mpanondrana.

Fiaraha-miasa

Hahafahana manamafy ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny sehatry ny jono dia nisy ny fifanaovan-tsonia anio maraina, teny Ampandrianomby, teo amin’i Paubert Mahatante, ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga, sy i Louis De Gonzague Razafimanandraibe, filohan’ny Tafo Mihaavo.
Raha tsiahivina dia efa mahenika ny faritra 23 eto amin’ny Nosy ankehitriny ity fikambanana Tafo Mihaavo na Tambazotran’ny Fokonolona Mitantana Harena Voajanahary eto Madagasikara ity. Ahitana mpikambana tsy latsaky ny 04 tapitrisa izy io avy amin’ny fikambanana maro. Raha fintinina dia fiaraha-monim-pirenenana ifotony ny Tafo Mihaavo, ary manana tanjona ny hamerina ny hasin’ny fokonolona amin’ny alàlan’ny dinam-pokonolona ary voakasik’izany ny mpisehatra amin’ny jono an-dranomasina sy andranomamy.
Izany indrindra no antom-pisian’izao fifanaovan-tsonia fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izao. Ary fantatra ihany koa fa ho alefa tsy ho ela any Washington izany fifanaovan-tsonia izay natao androany izany.

Ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna

Manafy hatrany ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Anisany fomba entina miady amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo vahoaka eny ifotony. Mitana andraikitra lehibe amin’izany tokoa ny fiaraha-monim-pirenena toa ny Tafo Mihaavo.
Mbola maro tokoa ireo mpisehatra amin’ny jono na an-dranomamy izany na an-dranomasina, no tsy manaja ny làlana manan-kery. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny tsy fanajana ny fotoam-panjonoana izay efa voafaritry ny làlana, koa manimba ny sehatra. Matetika dia eny anivon’ireo mpanao jono madinika sy ireo mpamatsy ny tsena anatiny no tena ahitana ity tranga iray ity.
Ao ihany koa anefa ny jono vaventy tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (INN). Tranga iray izay manafaingana ny fahafoanan’ny haren-dranomasina izy ity ary manimba ireo mpanjono. Mba hiadiana amin’izany dia ilaina ny fanamafisana ny rafitra misahana ny fanaraha-maso ny jono sy ny fampadraisana andraikitra ireo vondron’olona ifotony.
Izany indrindra no aton’izao fiaraha-miasa misy eo amin’ny ministera sy ny Tafo Mihaavo izao. Fomba entin’ny roa tonta hanamafy ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny sehatry ny jono, araka izany, ny fitaterana ireo tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpanjono izay hitan’ny fokonolona, na an-dranomasina izany na an-dranomamy. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo mpisehatra ny didy aman-dalàna mifehy ny jono. Ankoatra izany dia zava-dehibe ihany koa ny fanatsarana ny serasera mba tsy hisy ny vaovao diso na ny fandikana vilana ny zava-misy. Inoana ary fa hisy fihatraikany tsara ho an’ny sehatry ny jono izao fanamafisam-piaraha-miasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo