• Cours de change
  • 4611.97 AR
  • |
  • $4365.7 AR
Copyright Image : © Edbm.Jpg
Image
Economie

Mpizahatany 1 tapitrisa no andrasana amin’ny taona 2028

01/06/2023 10:15 © Moov.Mg

Nitohy hatramin’ny talata 30 Mey sy ny alarobia 31 Mey teo ny tatitra nataon’ireo ministra manoloana ny antenimieram-pirenenana, rehefa nihato izany ny faran’ny herinandro lasa teo.

Anisan’ireo ministra nanatanteraka ny tatitra ny asa vitany nandritra ny taona 2022, ny 31 mey teo, ny ministry ny Fizahantany, Joël Andriamandranto. Ankoatra ny tatitra mahakasika ny asa vita dia noresahana ihany koa ireo tanjona napetraka ho an’ireo taona ho avy.

Fampiroboroboana ny fizahantany

Nomen’ny ministra lanjany manokana nandritra io fihaonana tamin’ny antenimieram-pirenena io ireo tanjona lavitrezaka izay napetraky ny ministera. Noresahana manokana tamin’izany ohatra ny mahakasika ny isan’ny mpizahatany tokony hitsidika an’i Madagasikara mandritra ireo taona ho avy mifanesy. Araka ny efa natsidiky ny ministera ombieny ombieny dia tanjon’izy ireo ny hahatratrarana mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Raha atao ny jery todika ny taona 2022 dia 132 018 no isan’ireo mpizahatany. 300 000 kosa no tanjona amin’ity taona ity.
Raha jerena ireo tetikasa sy paikady napetraky ny ministera dia efa mitodika tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana izany. Efa nisy araka izany ny tetikasa hanatsarana ny fandraisana ny mpizahatany. Voakasik’izany ireo foto-drafitrasa maro isan-karazany toa ireo trano fandraisam-bahiny. Foto-drafitrasa maherin’ny 160 mifandraika amin’ny fizahantany tokoa no natsangana ny taona 2022.
Ny 23 Mey lasa teo ihany koa ohatra dia tafapetraka ary nankatoavina ny asa telo miompana amin’ny maha mpiseradia (guide), dia ny mpiseradia manokana momba ny primates eto Madagasikara, ny mpiseradia manokana momba ny fijerena vorona, ny mpiseradia manokana momba ny ethnobotanika sy ny sivilizasiona izany.

Ireo asa notanterahina sy mbola miandry

Ankoatr’io tanjona miompana amin’ny fahatratrarana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028 io dia teboka telo lehibe ihany koa no noresahan’ny ministra. Niompana tamin’ireo asa vita izany tamin’ny ankapobeny. Ireto avy ary ireo teboka ireo :
Fampiroboroboana ny fampiasam-bola amin'ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara.
Fampahafantarana an'i Madagasikara amin'ny firenena maro manerantany, amin'ny alalan'ireo hetsika maro samihafa any ivelany.
Fanatsarana ny tontolo iainan'ny fizahantany :

Fiofanana omena an'ireo mpisehatra amin'ny fizahantany ;

Fanentanana ireo tanora hiditra amin'ny sehatry ny fizahantany ;

Fampivondronana ireo matianina amin'ny sehatry ny fizahantany anaty tambazotra iray ;

Fiadina amin'ireo misehatra tsy ara-dalana sy fanentanana ireto farany hiditra anaty matianina.

Teo ampamaranana dia nanome toky ny ministra fa mbola mitohy ireo asa ireo amin’ity taona ity ary hisy ny hetsika maro samihafa izay ho atao eto an-toerana sy any ivelany mandritra izany. Atao izany ho fanatratrarana ireo tanjona rehetra izay napetraka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo