• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny_Serasera_Sy_Ny_Kolontsaina
Image
Culture

Festival International SURAJKUND : Hisolo tena an’i Madagasikara ny MaF’B

02/02/2023 14:52 © Moov.Mg

Nanainga omaly hariva hihazo an’i Inde ireo mpikambana ao amin’ny Malagasy Folkloric Band na ny MaF’B.

Izy ireo no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Festival International SURAJKUND izay ho tanterahina any New Delhi-India, ary aharitra 20 andro. 18 mianadahy izy ireo no nandray izany fiaingana izany omaly, ary ny dihy sy ny hira vakodrazana malagasy no ho asandratr’izy ireo amin’izany fifaninana izany.
Ny MaF’B moa dia tsy inona fa tetik’asa iray izay napetraka sy tohanan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny tanjona tamin’izany dia ny hamolavolana ny mpanakanto tanora manan-talenta amin’ny sehatry ny dihy sy mozika ary ny hira, hoy hatrany ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Manaraka fiofanana sy taizaina eo anivon’ny Akademiam-pirenen’ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC) ireo mpikambana mba hanamafisana ny talentany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo