• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Autisme Fédération Madagascar
Image
Vaovao

Andro erantany ho an’ny olona mifefy tena (autiste) : Nirehitra jiro manga ny Lapan’ny Tanàna

02/04/2025 12:19 © Moov.Mg

Marihina androany, toy ny isan-taona, isaky ny 2 aprily, ny andro manerantany ho fampafahantarana sy fanentanana momba ny fifefitena (autisme) taona 2025.

Toy ny isan-taona ihany koa, dia fomba anamarihana ity andro ity ny fisalorana ny loko manga.

Fampiatiana ny olona mifefy tena

Ho an’ity taona 2025 ity dia loahevitra nosafidiana, ho an’ny andro manerantany ho fampafahantarana ny fifefitena, ny hoe : « Fampiroboroboana ny fahasamihafan'ny fomba fiasan'ny saina sy ny atidoha sy ireo tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy » (Promouvoir la neurodiversité et les objectifs de développement durable (ODD). Tanjona ny hanehoana fa mifandray akaiky ny fahasamihafan'ny fomba fiasan'ny saina sy ny atidoha sy ireo ezaka iraisan’ny maneran-tany ho fanatrarana ny ODD, amin’ny alalan’ny fampiharana ny pôlitikan’ny fampiatiana (inclusion). Izany fampiatiana izany, izay midika ho tsy fanilikilihana ireo olona manana fahasamihafana sy ny olona manana fahasembanana, dia afaka mitondra fiovana miabo eo amin’ireo olona mifefy tena (autiste) sy ahafahana manatratra ireo tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Loko manga ho fiombonam-po

Ny loko manga no isan’ny amantarana ny fifefitena. Isaky ny alin’ny 1 aprily dia haingoina jiro miloko manga ireo trano manan-tantara sy toerana manana ny maha-izy azy manerantany. Ho an’i Madagasikara izao dia isan’ny niloko manga ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo sy ny tranon’ny Kaominina ao an-tampon-tanànan’Antsirabe. Ho an’ny androany 2 aprily kosa, ireo mpitolona ho an’ny zon’ny olona mifefy tena, ireo fikambanana samihafa miahy azy ireny, ny fianakaviany… dia nanao akanjo, kiraro, na haingo hafa miloko manga, na ihany koa nampiasa “filtre” manga aty anaty tambajotran-tserasera… ho fanohanana sy ho fiombonam-po amin’ny olona mifefy tena.

Antony nisafidianana ity loko ity, satria tsikaritra teo aloha, fa ny lahy no betsaka kokoa amin’ireo olona mifefy tena, raha mitaha amin’ny vavy. Ny loko manga anefa no heverina fa lokon’ny lahy. Antony faharoa, satria ny loko manga dia maneho ny nofinofy sy ny fiainana. Ny olona mifefy tena dia mety mba manana ny nofinofiny ihany koa, saingy mety tsy hainy ny milaza izany amin’ny teny na ny fihetsika. Ny loko manga, noho izany no ampiasaina, hanehoana fa manana zo ny hiaina sy hanonofy toy ny olona rehetra ny olona mifefy tena. Ny antony fahatelo sady lehibe, dia satria ny loko manga dia loko malefaka, lokon’ny fitoniana. Io no loko ankafizin’ny olona mifefy tena indrindra, raha ny fandinihana, sady mampitony azy ireo ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires