Analakely : Nomena 1.8 metatra amin’ny arabe ka afaka miverina ireo mpivarotra
Taorian’ny fifampiresahana omaly hariva teo amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA), Harilala Ramanantsoa, sy ireo solontenan’ny mpivarotra dia noraisina ny fanapahan-kevitra fa afaka miverina mivarotra indray izy ireo. Tamin’ny hafaliana no nandraisan’ireo mpivarotra izany ary nihirahira mihitsy izy ireo taorian’ny nandrenesana ny fandreseny.
Tsy fahampiana fotodrafitrasa
Efa nanomboka tamin’ny alatsinainy no nitokona ireo mpivarotra noho ny fandavana ny fanapahan-kevitry ny CUA. Isan’ny nolavina tamin’izany ny filazana fa toerana miisa 500 ihany no afaka hatolotra ireo mpivarotra ireo. Mety hahatonga disadisa eo amin’ireo mpivarotra anefa io tsy fahampian-toerana io satria maherin’ny 1 500 ny isan’izy ireo. Io tsy fahampiana fotodrafitarsa io indrindra no namelan’ny Ben’ny tanàna, azy ireo, hiverina hivarotra indray. « Voatery tsy maintsy nilefitra izahay satria tsy misy fotodrafitrasa handraisana azy ireo aloha, amin’izao fotoana izao. Mpivarotra miisa 1 600 no voaisa ka tsy ampy ny toerana natolotray azy ireo eo anelanelan’ny Pavilion Analakely sy ny Esplanade satria miisa 500 ihany no zakany », hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavana ny tsena eo anivon’ny CUA. Natao ihany koa izany mba hahazoan’ny rehetra tombontsoa amin’ny fandaminana.
Fandaminana vaovao
Manoloana izany fanapahan-kevitra izany dia napetraka ny fandaminana vaovao. Na dia afaka miverina mivarotra aza izy ireo dia tsy afaka hampiasa ny toerana fandehanan’ny mpandeha tongotra (trottoir) intsony. Manana 1 metatra isaky ny mpivarotra izy ireo hanehoany ny entany. Raha 12 metatra kosa ny arabe araka izany dia 1.8 metatra isaky ny andaniny no azon’izy ireo ho ampiasaina.
Natokana ho an’ireo mpivarotra manoloana ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo, Super U, Zaimaika, ary Itokiana, ihany io fanapahan-kevitra io. Hentitra kosa ny CUA amin’ny fandrarana ny fivarotana manoloana sy manodidina ny « avenue de l’indépendance ».