• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Festival Dola Beach : Fitrandrahana talentan’ny tanora avy eny ifotony

02/04/2025 08:06 © Moov

Ho tanterahina ny 18 hatramin’ny 21 aprily izao, ao Vatomandry indray ny andiany faha-13 amin’ny Festival Dola Beach. Anatin’ny fikarakarana tanteraka ireo tompon’andraikitra. Fotoana iray hiahonan’ny tanora isan-karazany izy io, amin’ny alalan’ireo hetsika samihafa ary nataon’ny mpikarakara hitrandrahana talenta ihany koa.

Fanomezana sehatra ny tanora

Efatra andro sy efatra alina no haharetan’ity lanonana lehibe eo amin’ny tora-pasik’i Vatomandry ity. Raha ny fanazavana dia hanome sehatra sy hanome lanja betsaka ny tanora ireo fandaharam-potoana maro samihafa. Ao anatin’izany ny hetsika ara-panatanjahantena sy ny hetsika ara-koltoraly samihafa. Amin’ny maha-lanonana eo ambony fasika azy dia hibahan-toerana ny « beach soccer » sy ny « rugby beach ». Tsy hanavahana izy io fa afaka mandray anjara avokoa ny rehetra, indrindra fa ny tanora ao anaty fikambanana, ligy, fokontany sy ny maro hafa. « Fotoana hahafahan’ireo tanora ireo maneho ny talentany ny Dola Beach, ary hahafahan’izay rehetra mitady mpana-talenta mitily izay olona hiriany ihany koa. Ohatra handrafitra ny ekipany », hoy i Alexandre Lay Men, mpikarakara ny hetsika Dola Beach.
Ankoatra izay dia mbola mitovy amin’izany tanjona izany ihany koa ny fanatanterahana ny tolona Betsimisaraka na ny « lutte traditionnelle ». Etsy ankilany ihany koa ny hetsika fanehoana hatsaran-tarehy amam-bika (concours miss et mister). Afaka hitily tanora manana ny mampiavaka azy ihany koa izay liana amin’izany. Tsara ny manamarika fa ireo tanora ao Vatomandry sy ny manodidina no handray anjara amin’ireo hetsika samihafa ireo.

Hetsika hifalifaliana

Ankoatra ny fanomezan-danja ny tanora dia ankatoky ny fetin’ny paska rahateo ny fotoana ka hisy ireo fampisehoana sy kilalao isan-karazany hanomezana fifaliana ny rehetra. Ahitana mpanakanto maro samihafa ny hetsika, izay natao ho an’ny salan-taona rehetra. Ao anatin’izany i Wawa, izay efa mahazatra ireo mpanatrika ny Dola Beach. Hanampy azy eo i Black Nadia, i Ycka’j, i Mena Sanga sy ireo mpanakanto avy ao an-toerana. Tsy ambakan’izany ihany koa ny fisian’i Kaiamba, ho an’ny taona rehetra.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharana hifalifaliana ihany koa ireo kilalao samihafa, mba handraisan’ny rehetra anjara. Toy ny « dola gony », « dola rotra », « dola ontsagna » sy ny hafa. Marihina fa ny Yas Madagasikara no mpanohana ofisialy ny hetsika, izay efa niara-niasa hatramin’ny taona 2014.

Lire la suite

Articles Similaires