• Cours de change
  • 5099.04 AR
  • |
  • $4447.21 AR
Copyright Image : © Gendarmerie Fenoarivo
Image
Vaovao

Vaky trano teny Ambodiafontsy : Tratra ireo jiolahy hita tamin'ny "caméra de surveillance"

03/03/2025 00:05 © Moov

Ny zoma 28 febroary lasa teo, niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera Facebook ny sarina mpangalatra roalahy. Nahomby ny antsoavo nataon'ny zandarimaria ka tratra soa aman-tsara ireo olon-dratsy ireo.

Nisy vaky trano teny Ambodiafontsy Ampitatafika ny alin'ny alakamisy 27 febroary, tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany teo ho eo. Toa tsy nampoizin'ireto mpangalatra nefa fa nisy "caméra de surveillance" tao amin'ilay trano, satria tsy nisarontava na nanafina endrika izy ireo.

Hazalambo

Voasambotry ny zandary ary voatazona ao amin’ny brigady Fenoarivo ireto mpamaky trano roalahy. Tany Anjeva no tra-tehaka ny annakiray ary ilay namany kosa teny Sabotsy Namehana no voasambotra.
Porofo mitohaka amin'ny tendan'izy ireo ny raki-tsary azo tamin'ny " caméra de surveillance ". Novohain'izy ireo tamin'ny "barre à mine" ny varavarana vy lehibe, ka rehefa tafiditra izy ireo dia nijerijery izay entana lafovidy tao an-trano. Vata fahitalavitra "écran plat" lehibe sy kodiarandroa no nentin'izy ireo nivoaka ny trano. Nandratra olona ihany koa izy ireo, dia ilay zanaky ny tompon-trano.
Ny zandary etsy amin'ny brigady Fenoarivo no mandray an-tanana ny famotorana,ary hakarina fitsarana ny raharaha.

Fiaraha-mientana

Fiaraha-miasa teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny olon-tsotra no nahatratrarana ireo mpanao ratsy ireo. Zava-dehibe izany ny fifanampiana mba handry fahalemana ny tanàna. Raha sanatria misy vaky trano na vono olona, azo atao tsara ny mifampiraharaha amin'ireo manana "caméra de surveillance" eny amin'ny manodidina. Atao porofo sady entina itadiavana ny mpanao ratsy avy eo ny horonantsary rehetra.
Amin'izao fandrosoan'ny teknolojia izao, azo lazaina fa tena ilaina ny "caméra de surveillance". Efa maro karazana izy ireny ary takatry ny fahefa-mividy rehetra. Misy ireo manana endrika jiro mba tsy hahafantaran'ny mpanao ratsy ny maha-fandraisan-tsary azy. Mety hanampy tokoa izy ireny amin'ny fanaraha-maso ny trano sy ny manodidina, na atoandro na alina. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa "alarme", izay maneno avy hatrany raha misy olona tafiditra ao an-tokotany na ao an-trano. Tokony hanana ny nomeraon'ny zandarimaria na polisy akaiky azy avokoa moa ny tokantrano rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires