• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Baolina kitra : Orinasa miisa 32 hiady ny amboara amin’ny Viva Futbol Inter-entreprises

20/11/2024 15:09 © Moov

Hotanterahina ny 24 novambra, 1 desambra ary ny 8 desambra izao ny lalao Viva Futbol Inter-Entreprise izay karakarain’ny Orinasa Viva Madagascar. Nanatanteraka ny fisarihana ny vondrona sy ny fivoriana ara-teknika ny mpikarakara tamin’ity anio ity. Orinasa miisa 32 eto Antananarivo no handray anjara amin’izany. Hijoro ho reharehan’ny orinasa hiasany izy ireo ka hiady ny amboara lehibe.

Baolina kitra lalaovin’olona fito

Miditra amin’ny andiany fahatelo ny fifaninana amin’ity taona 2024 ity. Toy ireo roa teo aloha dia baolina kitra lalaovin’olona fito izy ity. Eny amin’ny Spentana Club Sport eny amin’ny By Pass iny no hanatanterahana izany. Ao anatin’izany, dia 15 isaky ny ekipa, izany hoe isaky ny orinasa ny mpilalao misoratra anatin’ny « feuille de match ». Hentitra ny mpikarakara ao anatin’izany. « Raha mihoatra ianareo dia anjaranareo ny mifandamina amin’izay fa 15 isaky ny ekipa irery ihany no ofisialy. Esorina avy hatrany izay tsy manaraka ny fepetra », hoy i Naina Ranaivo, Talen’ny Viva Madagascar. Notanterahina tamin’ity anio ity ihany koa ny antsapaka ho an’ireo izay hiray vondrona.
Vondrona A : NUTRIZAZA, BET 261, SOCIETE OTI, TAXI AGRÉÉ AEROPORT IVATO (ASTA)
Vondrona B : TAIWAN MOTOR, TELMA MADAGASCAR, GROUPE VISEO, SODIREX
Vondrona C : SOCIÉTÉ NIAG, FUTURE TEXTILE, FANALAMANGA, FIDUCIAIRE CHAFII
Vondrona D : ASC Ampefiloha, TOUT CLEAN, INJET, ARTEC
Vondrona E : FMFP, DIRICKX, CONCENTRIX, TANA TECH
Vondrona F : TS'ART LOKO, CARREFOUR, BAOBAB +, BRINKS
Vondrona G : FILATEX, CAPTELEC, SUPER MAKI, NACRE SOLUTION
Vondrona H : SOMETO, RAPIDE SERVICE, JUMBO SCORE, VALUE IT

Fitsipika hentitra

Nazavaina tamin’ity anio ity ihany koa ny fitsipika rehetra mandrafitra ny lalao. Isan’ny nisongadina tamin’izany sy noantitranterina ihany koa ny momba ny mpilalao. « Natokana ho an’ny mpiasan’ny orinasa irery ihany ny lalao. Hisy ny fanaraha-maso hentitra izay lafiny izay. Tsy natao handray anjara ihany koa ny mpiasan’ny orinasa efa milalao amin’ny ligy na pro-ligy », hoy hatrany ny fanazavana. Etsy ankilany dia nazava ihany koa ny momba ny filaminana eny ambony sehatra. « Lalao natao hifankahafantarana sy hifanakaikaizana amin’ny samy orinasa izy ity. Mandoa onitra araka izany izay tratra manao fandikan-dalàna na ivelany na anatin’ny kianja ary voasazy avy hatrany », hoy hatrany ny Tale. Marihana fa amboara lehibe no ho azon’ny tompondaka ary vola mitentina 1 tapitrisa ariary sy medaly. Medaly sy vola 500 000 ariary ho an’ny faharoa ary medaly sy vola 300 000 ariary ho an’ny fahatelo.

Lire la suite

Articles Similaires