Fandaharanasa AFAFI – SUD : Nisitraka traikefa vaovao sy fitaovana ireo mpiompy fia mpitarika
Mandritra ny herinandro, hifarana rahampitso 30 oktobra dia nitsidika ireo mpiompy fia mpitarika ao amin’ny faritra Anôsy ny avy amin’ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga. Nisitraka fitaovana sy fampitomboana traikefa ireo mpiompy ireo nandritra izany. Marihina moa fa tohanan'ny AFAFI-Sud izay vatsian’ny Vondrona eoropeana vola ary tantanan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola izany asa izany.
Fampianarana teknika vaovao
Ho fampiroboroboana indrindra ny velon-tenan’ireo mponina any amin’ireo toerana hiasana ny antom-pisian’ny fandaharanasa. Araka izany, misy hatrany ny teknika vaovao tsy maintsy hatolotra ireny mpiompy ireny hahafahany mampitombo ny vokatra. Anisan’ny resahina tamin’ity fitsidihana ireo mpiompy ireo ity izany. Ny fitsidihana raha nomarihin’ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantananam-bola dia nifantoka tamin’ny fifampizarana traikefa sy fahalalana tamin’ireo faritra mandroso amin’ny fiompiana fia. Anisan'izany ny ao Zazafotsy sy Soarano (Ihosy), ary Ambodiranomaintso (Vohibato) izay mampihatra ny teknika « rizipisciculture ». Tanjona amin’izany ny hanofanana ireo mpiompy fia mpitarika mba hanana fahaizana matihanina amin'ny fampiterahana fia ary hifampizara izany amin'ny mpiara-monina aminy, mba hanatsarana ny ara-tsakafo sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ny tokatrano.
Fampitaovana samihafa
Mbola ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona hatrany ihany koa ny fampitaovana ireto mpiompy sady mpamokatra ireto. Notohanana araka izany ny famokarana zanampia ao Morafeno sy Betroka. Nahazo fitaovana manokana toy ny pH mètre, thermomètre, pompe solaire, ary dobo fanatavezana izy ireo. Etsy andaniny moa dia mbola hisy ny fanoloran’ny fandaharanasa AFAFI-Sud zanampia 2000 isa ireo mpiompy mpitarika rehetra ao Betraka Ivahona sy Ambalasoa distrikan’ny Betroka. Nomarihin’izy ireo fa fanombohana fotsiny izany fa mbola hahazo ny anjarany ihany koa ny avy ao Ranomafana sy Taolagnaro.
Tsy hijanona amin’izany fotsiny fa hitohy any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanana ny fitsidihana sy ny fifanakalozana. Ao anatin'izany ny toerana famokarana zanampia ao Soamanova, distrikan'i Vangaindrano, ary ny toerana famokarana olitra (asticote) ho an'ny sakafon'ny fia ao amin'ny kaominina Ankarana, distrikan’i Farafangana.