• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Groupement_Gn_Boeny
Image
Vaovao

Faritra Boeny : Paraky gasy 874 kilao no sarona

09/06/2023 17:12 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny ady ataon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny amin’ireo tsy fanarahan-dàlana miseho amin’ny endriny maro samihafa.

Paraky gasy milanja eo amin’ny 874 kilao indray ary no sarona tany amin’iny faritra Boeny iny. Araka ny fantatra dia niainga avy tany Tanambe Ambatondrazaka ireto paraky gasy ireto, ary nokasaina ho tanterina ho any Andranofasika.
Noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny zandary sy ny olon-tsotra no nahafahana nahazo izao vokatra tsara izao. Nisy tokoa manko ny loharanom-baovao mari-pototra avy amin’ny olon-tsotra mahakasika ny fitetarena ireo paraky ireo. Taorian’izany dia nametraka velam-pandrika ny zandary, ary izao nahafahana nanarona ireo paraky sy nisambotra ireo tompon’antoka.
Araka ny vaovao voaray dia ireo zandary mpanao fisafoana amin’ny alina, izay notarihin’ny lieutenant Rakotozafy, officier coordinateur Ambondromamy, no nanatanteraka ny fisavana sy ny fikarohana. Sarona tao amin’ny fokontany Miarinarivo, kaominina ambanivohitra Andranomamy ilay fiara nitatitra ireo paraky gasy 874. Tratra tao anatin’io fiara io ihany koa ireo olona 10 nitondra ny entana, koa vehivavy ny 3 amin’izany ary 7 kosa ny lehilahy.
Manamafy ary ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa voararan’ny lalàna ny fitrandrahana an-tsokosoko, ny fitaterana ary ny fivarotana paraky gasy. Fantatra ihany koa fa tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny fidorohana ny fisian’izany lalàna izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo