• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Compagnie De Gendarmerie Ambohidratrimo
Image
Vaovao

Antehiroka : Ravan'ny zandary ny tambazotrana mpivarotra rongony

09/06/2023 16:52 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny fanaovana hazalambo ireo mpanaparitaka rongony eto amin'ny firenena, indrindra ny eto an-drenivohitra. Tokantrano iray eny Morondava Antehiroka no nahatratrarana rongony.

Namokatra ny fikarohana nataon'ireo zandary avy ao amin'ny zana-tobim-paritra Antehiroka sy ny ekipan’ny CRFDC Ivato. Tokantrano iray no fantatra fa mpamatsy rongony eny Ambohibao Antehiroka sy ny manodidina.
-Taorian’ny fisavana ny trano sy ny manodidina no nahatrarana ireto :
-Taratasy famonosana rongony hamidy tokony ho iray kitapo babena,
-Fonosana rongony miisa 02,
-Tapa-kazo sy ody gasy iray kitapo.

Nanampy ireo zandary nidina teny an-toerana moa ireo aliaka mpitily manokana mikasika ny zava-mahadomelina, izay antsoina hoe MATT. Nihatsara ny vokatra azo tamin'izany. Ireto avy ireo zava-mahadomelina tra-tehaka :
-Fonosana rongony miisa 52, milanja sahabo ho 540 grama.
-Voan-drongony milanja eo ho eo amin'ny 150 grama.
-Raviny tsy mbola voafono tao anaty harona plastika milanja 1kg sy 338g ary vovony.
-Raha atotaly ny rongony tratra dia milanja 2,482 kilao

Raha atotaly, milanja 2,482 kilao ny rongony tra-tehaka. Olona 8 ankehitriny no miatrika famotorana eny amin'ny biraon'ny zandary. Marihana fa efa mampiasa ireo fomba rehetra ny mpitandro ny filaminana ahatratrarana ireo mpamatsy, mpivarotra ary mpidoroka zava-mahadomelina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo