• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Fahatapahan-jiro matetika : Mitondra fanazavana ny eo anivon’ny Jirama

02/06/2023 14:17 © Moov.Mg

Ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fisian’ny solika mavesatra no miteraka ny fahatapahan-jiro matetika, araka ny nambaran’ny Jirama.

Olana ara-teknika

Manoloana ny fahatapahan-jiro sy rano izay niseho matetika tato ato dia nitondra fanazavana misimisy ny avy eo amin’ny Jirama anio.
Ny fahanteran’ny fotodrafitrasa no anisan’ny antony iray nambaran’ny avy eo amin’ny orinasa Jirama ho miteraka ireo fahatapahan-jiro matetika eto Antananarivo sy ny manodidina. Noho izany fahanterahan’ny fotodrafitrasa izany ary dia tsy maharaka ny filàna takian’ny tambazotra mpitsinjara herinaratra intsony izy ireo, indrindra amin’izao fotoanan’ny ririnina izao, izay mampitombo ny filàna.
Ankoatra ireo fotodrafitrasa dia fantatra ihany koa fa anisany mahatonga ny fahatapahan-jiro sy rano ihany koa ny tsy fahampian’ny solika mavesatra na fuel lourd. Ity farany dia ilaina amin’ny famokarana herinaratra. Izany fihatoan’ny famatsiana ny herinaratra izany anefa dia miteraka olana amin’ny famatsian-drano ihany koa. Ireo tobim-pamokaran-drano sy foibe mpampiaka-tsika na surpresseur manko dia miankina tanteraka amin’ny fisian’ny herinaratra.
Noho ireo olona voalaza ireo dia hitohy hatrany aloha ny fahatapahan-jiro sy rano eto Antananarivo. Ary ho ampahafantarin’ny Jirama eo amin’ny pejy Facebook-ny sy ny amin’ny haino vaky jery ny fandaharana mahakasika izany, toa ny mahazatra.

Fitadiavam-bahaolana

Tsy vao izao no nisedra olana noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa toa izao ny Jirama, fa efa an-taonany maro. Hatreto dia mbola tsy nahitana vahaolana mahomby izany ka mahatonga izao fahatapahana matetika izao. Ilaina ny fanoloana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa izay voalaza fa efa antitra ireo noho izany.
Ankoatra izay dia herinandro maromaro ihany koa izany no efa nisian’izao olana tsy fahampian’ny solika mavesatra izao. Raha tsiahivina dia efa nisy ny fifampiresahana teo anivon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo ary ny vondron’ireo kaompanian-tsolika eto Madagasikara, ny 04 mey lasa teo. Mbola tsy faona anefa ny fahatapahana na dia teo aza izany fitadiavam-bahaolana niarahan’ireo tompon’andraikitra izany.
Ankehitriny dia miverina indray ny fikaonan-doha eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny Jirama ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny famahana ny olana. Antenaina noho izany fa tsy ho ela intsony dia hahita marimaritra iraisana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo koa hampilamina indray ny resaka fahatapahan-jiro sy rano mantetika izay mampikaikaika ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo