• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Faha-63n'ny fahaleovantena : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy anio ny fankalazana

02/06/2023 10:19 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, io maraina io, ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena malagasy.

Fanomezan-kaja ny fotoana

Notanterahana anio tetsy amin’ny parvis Analakely, manoloana ny Lapan’ny tanàna, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena malagasy.
Amin’ny maha fotoan-dehibe ny andro anio dia olo-manan-kaja maro no tonga nanotrona ny fotoana, izay notarihan’i Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady. Teny antoerana ihany koa ireo lehiben’ny andrim-panjakana maro, toa ny filohan’ny Antenimieran-doholona, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Praiministra lehiben’ny governemanta, ireo ministra, ary ny ben’ny tanàn’Antananarivo. Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo avy eo anivon’ny foloalindahy ary ireo olom-pirenena sy ireo ankizy.

Fandraisam-pitenenana sy fanentanana

Mifampiankina tanteraka ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena sy ny nametrahana ny foloalindahy malagasy. Ankalazaina amin’ity taona ity ihany koa araka izany ny faha-63 taona niorenan’ny foloalindahy. Ao anatin’ny fanatanterahana ny asa izay niantsorohana azy ireo dia manome toky ny foloalindahy fa tsy handrarak'ilo mby andoha. « Hamafisina etoana fa manolotena mandrakariva izahay foloalindahy, manome tànana sy mijoro hiaro ny malagasy mpiray tanindrazana », hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena, Josoa Rakotoarijaona, nanamafy izany.
Nandritra ny fandraisan’ny filoham-pirenena fitenenana dia niantso ny malagasy tsy vaky volo ny tenany hanangana ny sainam-pirenena amin’izao fotoam-pankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena izao. « Fanehoana ny ambompom-pirenena sy ny firaisankina ny fahanganana ny sainam-pirenena », hoy ny filoha. Manentana ny isan-tokantrano, ny biraom-panjakana samihafa ary ny toeram-piasana rehetra ny tenany, mba hiroso amin’ny fanehoana izany fitiavana sy ny fanajana ny tanindrazana izany, amin’ny alàlan’ny fananganana ny saina. "Fotoana iray ihany koa izao, hanehoana amin’ny zanatsika sy ny taranaka ny maha-zavadehibe ny tantarantsika sy ny fitiavantsika an’i Madagasikara." hoy hatrany izy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo