• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Vaovao

Eliminatoires CAN 2023 : Tohanantsika ny BAREA androany 23 martsa. Madagascar VS Centrafrique

23/03/2023 08:01 © Moov.Mg

Rahariva amin'ny 4 ora no hiaona amin'i Centrafrique i Madagasikara, ao amin'ny Kianja Barea Mahamasina. Ny lalao androany moa no anohizana ny Eliminatoires CAN 2023 Côte d'Ivoire ao amin'ny vondrona E raha ho an'ny ekipam-pirenena BAREA.

Vonona hibata ny amboara

"Vonona tsara izahay. Ataonay izay ahafahanay manohy ny lalao CAN 2023", hoy ny coach Nicolas Dupuis raha nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly. Androany alakamisy 23 martsa tokoa mantsy no "match aller" amin'ny Eliminatoires CAN 2023 izay ifanandrinan'i Madagasikara sy Centrafrique. Mbola hisy araka izany ny "match retour" ny 27 martsa ho avy izao any Cameroun.
Ho amin'ny anio dia efa mipetrapetraka avokoa ny paika rehetra mba hibatana fandresena. Efa vory lanona ny mpilalao sy ny Staff technique rehetra sady niatrika fampivondronana soa aman-tsara. I Dorian Bertrand no tonga farany indrindra, izany hoe omaly atoandro, tamin'ireo mpilalao izay mbola tany ivelany.

Mila manenjika isa

Raha tsiahivina dia eo amin'ny laharana farany ao amin'ny vondrona E i Madagasikara, amin'ny fifanintsanana CAN 2023. Isa iray ihany no ananan'ny BAREA hatreto. Araka ny nambaran'i Nicolas Dupuis dia mbola mijanona amin'ny fifaninanana ny Malagasy raha mandresy anio na mahavita "match nul". Mahazo isa tsara kokoa nefa raha mahazo fandresena hatrany amin'ireo lalao 2 ihaonana amin'i Centrafrique ireo. Maro ireo mpitia baolina kitra no mitaintaina satria mety hanova zavatra maro ity lalao androany ity.
Eny amin'ny CFM Anosy no ivarotana ny tapakila anio ho an'ireo mbola maniry te hijery mivantana ny lalao eny amin'ny Kianja BAREA Mahamasina. Isorohana ny fivezivezena, azo atao ihany koa ny mividy tapakila ao amin'ny www.ticketplace.io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo