• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Solontena manokan’ny Vondrona Afrikana : Nanatanteraka fitsidihina fanavaom-beloma teny Iavoloha

22/03/2023 15:26 © Moov.Mg

Anio maraina tamin’ny 10 ora no norasain’ny filoham-pirenenanna Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’ny Iavoloha i Hawa Ahmed Youssouf, solontena manokan’ny Vondrona Afrikana.

Handao an’i Madagasikara ny tenany ary hitodi-doha ho any Mali indray rehefa niasa teto nandritra ny 9 taona izay.

Fitsidihana ara-pomba fanajana

Herin’andro maromaro mialohan’ny hiaingany dia efa nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana teny anivon’ireo andrim-panjakana isan-karazany ny tenany. Efa nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Herimanana Razafimahefa, sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenenana, Christine Razanamahasoa izy ohatra nandritra ity volana marsa ity. Nandritra ny fiahoanana izay nataony tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana maro isan-karazany dia saika nivoitra nandritra izany hatrany ny vokatra azo tsapain-tànana tamin’ny asa izay notanterahiny.

Fitoniana ara-politika

Anio no namaranany izany fitsidihana ara-pomba fanajana izany koa nihaonany tamin’ny filoham-pirenenana teny Iavoloha. Nandritra ny resaka izay nataon’ny roa tonta dia nanambara i Hawa Ahmed Youssouf fa « Antoky ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ny fitoniana ara-politika ary tompon’andraikitra amin’izany avokoa ny mpisehatra politika sy ny olom-pirenenana rehetra. »
Hafatra mafonja tokoa izany nampitany izany, indrindra mandritra izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izao. Hita taratra sahady tokoa mantsy ny fiantsiana misy eo amin’ireo mety ho kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenenana 2023. Efa mandeha ihany koa ny fitsidiham-paritra ataon’ireo heverina ho kandida sasany. Ho an’ity solontena manokan’ny Vondrona Afrikana ity anefa dia zava-dehibe tokoa ny fitoniana ara-politika. Noho izany dia tokony hiezaka ny rehetra mba hisian’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana sy eken’ny rehetra. Nanambara ihany koa moa ny tenany fa vonona ny hanampy ny malagasy amin’ny fanatanterahana izany ny Vondrona Afrikana.
Andrasana noho izany ny fahatongavan-tsainan’ny rehetra, indrindra ireo mpanao politika, amin’ny tokony hanaovana laharampahamehana ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo