Fandraisana mpiasan’ny Paositra : Hivoaka amin’ity volana mai ity ny fiantsoana fifaninanana
Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra, ny 5 may teo ny handraisana mpiasan’ny Paositra vaovao miisa 90. Nilaza ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny asa ny Fampananan’Asa sy ny Asam-panjakana (MTEFoP), fa hivoaka amin’ity volana may ity ihany ny fiantsoana fifaninanana (avis de concours).
Misokatra ho an’ny faritany 6 ny fifaninanana
Isan’ny asa iray hirian’ny tanora, maro, ny miasa amin’ny paositra, indrindra ny ho lasa mpiasam-panjakana. Amin’ity fandraisana mpiasa vaovao miisa 90 ity dia misokatra ho an’ny faritra 6, manerana ny Nosy ny fifaninanana. Raha tsiahivina moa dia Mpandrindra fampandehanana ny Paositra (Contrôleurs d’exploitation des postes) miisa 30 sy Mpandraharaha amin’ny fampandehanana ny Paositra (Agents d’exploitation des postes), miisa 60 izany ho raisina izany.
Toy ny ankamaroan’ny asam-panjakana rehetra dia fifaninanana no hahafahana miditra amin’ireo asa ireo. Ho an’ity ao amin’ny Paositra ity dia haharitra 3 volana ny fampahafantarana. Kendrena hatao mandritra ny fialan-tsasatry ny mpianatra kosa ny adina mba ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Raha ny fanambaran’ny Minisiteran’ny asa hatrany dia vinavinaina ho amin’ny faramparan’ny volana Aogositra 2026 ny fanatanterahana izany fifaninanana izany.
Fiaraha-miasan’ny minisitera roa
Rehefa nahazo fankatoavana ny fampitana ambava niarahan'ny MTEFoP, sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), dia natao ny famolavolana ny didim-panjakana iombonana (arrêté interministériel), hanatanterahana ny fifaninanana. Araka izany, ireo minisitera roa ireo no miara-maisa amin’ny fanomanana ity fifaninanana ity. Manoloana izany dia nilaza ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’Asa sy ny Asam-panjakana, Atoa Denis Mac Franconio fa “Efa vonona ny laharam-pandaniana ao amin’ny tetibola (poste budgétaire) sy ny fanomanana ». Nandritra izany indrindra no nanamafisany fa heverina hivoaka amin’ity volana May 2026 ity ihany ny fampahafantarana fifaninanana.
Etsy ankilany dia nomarihiny hatrany fa “Ny Ivontoeram-Pirenena Fanofanana ara-pitantanan-draharaha (INFA), fantatra amin’ny fanefena mpiasam-panjakana sy vondron’asa matihanina (Corps professionnel), no hampiofana ireo izay afaka amin’ny fifaninana”. Fampiofanana matihanina sy manaraka ny fivoarana no hatolotra amin’izany. « Misy fanavaozana hatrany ny fandaharam-panofanana sy ireo taranja, mba hifanaraka amin’ny filàn’ny tontolon’ny asa, sy ny fenitra maoderina", hoy ny Dr Jaoroby Chrétien, Tale Jeneralin’ny INFA. Araka izany, olona vonona hiasa avy hatrany no havoaka aorian’ny fiofanana.




