Oniversiten'Antananarivo : Famerenana ny soatoavina Malagasy ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy
Nanokana andro iray ny Oniversiten'Antananarivo, nankalazana ny taombaovao Malagasy 2026, dia androany alarobia 18 marsa.
Fitafiana gasigasy, mozika sy dihy nentin-drazana, hiragasy : anisan'ny nanamarika ny fankalazana ny taombaovao Malagasy teny Ambohitsaina Ankatso ireo.
Fanandratana ny kolontsaina Malagasy
Endrika iray hanamafisana sy hampahatsiahivana ny maha-Malagasy ny hetsika ara-kolontsaina toy izao. Mihazakazaka tokoa mantsy ny fandrosoana ka tsy vitsy ireo tsy mahalala na tsy mahatsiaro intsony ireo karazana soatoavina Malagasy. Saika nitafy fitafiana gasigasy ireo mpandray anjara, ho fanehoana hita maso ny maha-Malagasy. Narahina mozika gasigasy maredona ny diabe niarahan'ireo mpampianatra, mpianatra sy mpandraharaha. Teo ihany koa ny famelabelaran-kevitra, nentina nampahafantarana ny hevitra fonosin'ny Taombaovao Malagasy. "Ny Lova navelan'ny razana, dia ireo karazana soatoavina, dia tokony hajaina satria ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara", hoy ramatoa Fanja Razakaboana, filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nanao fanentanana araka izany ireo tompon'andraikitra mba samy hanome lanja ny kolontsaina Malagasy, na ny teny na ny fomba amam-panao.
Nampiavaka ny fankalazana ny fizarana koba, notolorana tamin'ny ravin'akondro, nialoha ny hiragasy goavana. Hitohy sy hihatsara hatrany ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy, hoy ireo tompon'andraikitra, ka tanjona ny hisian'ny famonoana omby sy nofonkena mitam-pihavanana amin'ny taona hoavy.
Fampahafantarana ny Taombaovao Malagasy
Novoaboasana voalohany ny "Eva sy dindo ao amin'ny taombaovao Malagasy", izany hoe ireo karazana famantarana mifandraika amin'ilay fety. Amin'ny Malagasy, tahaka ny an'ny firenena tatsinanana maro, misy taombaovao roa : fararano (fidiovana/ fandroana) sy lohataona (fanombohan'ny taom-piasana). Fomba amam-panao no resaka fa tsy finoana na fivavahana, izany hoe kolontsaina mirakitra soatoavin'ny fifankatiavana sy ny firaisankina. Kolontsaina izany no ahindrahindra fa tsy fanompoana. Anisan'ny fitaovana ampiasaina amin'ny fankalazana ny tsihy, ny sahafa sy ny amboaran-tsalohim-bary. Eo ihany koa ny rano, ny afo ary ny ravin'akondro. Raha fehezina, ny taombaovao Malagasy dia fanaovana jery todika ny lasa sady fiaingana vaovao.
Nisitraka famelabelaran-kevitra mikasika ny fanandroana tandrefana ihany koa ireo mpanotrona, izay natolotry ny Dr Livasoa Andriamampionona. Anisan'ny nangalana hevitra tamin'izany ny "Talmud" hébreo, ny "manuscrit de Qumran" ary ireo karazana taombaovao tena malaza manerantany, indrindra ho an'ny tandrefana. Tsy adino ny fanandroana Malagasy. Ara-tsiantifika, ny "Equinoxe du printemps", ny 20 sy 21 marsa, no azo lazaina fa mifanojo amin'ny Taombaovao Malagasy. Ny Alahamady no manomboka azy, izany hoe ny "signe astrologique bélier", manomboka ny 21 marsa. Raha ny kalandrie hebreo no iaingana, ny "1er Nissan" no alahamadibe, izay 29 marsa tamin'ny 2025 ary 19 marsa amin'ity 2026 ity. Amin'ireo jiosy dia fankalazana ny Paska izany.
Hatreto, mampisara-bazana ny adi-hevitra mikasika ny fanisan'andro hamaritana ny Taombaovao Malagasy. Mbola ezaka goavana araka izany ny fikarohana sy ny fandresen-dahatra ny rehetra, ny amin'ny hamaritana daty iray.




