Dinan’i Androy : miaro amin’ny herisetra, ny fanondranana harena voajanahary an-tsokosoko…
Ao anatin’ny dingana fampahafantarana amin’ny besinimaro ny Dinan’i Androy, amin’izao fotoana izao, raha efa nankatoavin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany ao Ambovombe tamin’ny volana jona 2025. Isan’ny fivoarana lehibe ao anatin’ny fanatsarana ity Dina ifampifehezan’ny fiarahamonina any Androy ity ny fanomezana lanja ny vehivavy sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Fitsipi-pifehezana natsaraina
Tany amin’ny Distrikan’Antanimora Atsimo, Faritra Androy, no nanombohana tamin’ny fomba ôfisialy ny fampahafantarana sy fanentanana momba ny fampiharana ny Dinan’i Androy, tamin’iny volana febroary lasa teo iny. Mbola mitohy any amin’ireo Distrika hafa mandrafitra ny Faritra Androy izany, amin’izao. Raha tsiahivina dia nandalo fakan-kevitra tamin’ny toerana maro ny Dinan’i Androy vao tonga tamin’ny digana fankatoavana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa LANDJA ny fanatsarana ity fitsipi-pifehezan’ny fiarahamonina ity, izay tohan’ny Tahirim-bola ho an’ny Fanamafisana ny Fandriampahalemana (Peacebuilding Fund) ary tanterahin’ny PNUD, miaraka amin’ny Solontenan’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona (HCDH) sy ny fikambanana MSIS Tatao.
Tanjon’izao hetsika fampahafantarana sy fanentanana izao ny hanazavana ny votoatin’ny Dina amin’ireo mpiara-monina tsy an-kanavaka, ka tafiditra ao anatin’izany ny vehivavy, izay tsy nahazo anjara toerana taloha tao anatin’ny fampiharana ny Dina. Nahafahana nanazava ny anjara andraikitry ny tsirairay, na ireo ray aman-dreny ara-drazana, na ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony, ireo fifanakalozan-kevitra notanterahina. Izany no natao dia mba tsy hisy fifanoherana, na fifanitsahana, amin’ny fampiharana ny Dina eo anatrehan’ny KMD (Komity Mpanatanteraka ny Dina) sy ireo manam-pahefana mpampihatra lalàna.
Fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy
Isan’ny nisongadina ny fanamafisana ny fitsipi-pifehezana momba ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy, satria nampidirina ao anatin’ny Dina ny momba ny sazy hampiharina amin’ireo olona manao herisetra ao an-tokantrano sy ireo mpanao herisetra ara-nofo. Nandritra ny fanentanana natao tany Tranoroa, Distrikan’i Beloha, ohatra, dia nisy vehivavy maromaro nitoroka ny fanolanana atao amin’ny ankizy, ny famonoana zaza sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Na dia mbola manahirana aza, ho an’ny vehivavy, ny madray fitenenana eo anatrehan’ireo « Lonaky » sy ireo « Olobe », dia efa manomboka mijoro izy ireo, mitaky ny rariny sy maneho ny fanantenany fa hahazo sazy henjana ireo mahavita heloka eo anatrehan’ny fiarahamonina ireo.
Zava-baovao sy notsiahivina, nandritra ny fampahafantarana ny Dinan’i Androy ihany koa, ny momba ny « vonodina ». Tsy mahasolo ny sazy eo anatrehan’ny fitsarana ny « vonodina », raha vao tafiditra ao anatin’ny heloka voararan’ny lalàna ny tranga iray. Tafiditra ao anatin’izany ny fitrandrahana an-tsokosoko ireo harena voajanahary, indrindra ny sokatra, izay mateti-pitranga any amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny.




