• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

My Future : Toeram-panofanana mandefa tanora any ivelany

04/06/2025 14:17 © Moov

Maherin'ny 300 ireo tanora malagasy voaofana tao amin'ny My Future no efa miasa any Amerika. Efa miomankomana ihany koa ireo hihazo an'i Canada.

Toeram-panofanana tanora maniry hiasa any ivelany ny My Future. Nandritra izay 5 taona nijoroany izay, 300 raha kely indrindra ireo malagasy miasa any Amerika, noho ny fiaraha-miasa amin'ny CSCS International Manning Madagascar sy ny Royal Caribbean. Misokatra ihany koa ny lalan'asa mankany Canada, noho ny fanohanan'ny RM Group.

Asa ho an'ny 18 hatramin'ny 45 taona

Miasa amina Trano fivahinianana na fisakafoanana any ivelany, na koa eny ambony sambo, ireo tanora vita fiofanana ao amin'ny My Future Ampefiloha. Mianatra teny Anglisy sy mikasika ny fikarakarana sakafo isan-karazany ireo mpiofana. Tsy adino ny fandaminana sy fanaingoana trano, ary ny fikirakirana ireo fitaovana samihafa. Rehefa mahafehy izany rehetra izany ireo mpiofana dia misafidy ny asa ho ataony, arakaraka ny tolotra misy : galley steward, housekeeper, public area attendant, cleaner, barman, waiter/ waitress, sns. Toa asa tsotsotra ireo atao ireo, saingy mahafa-po tokoa ny karama raisina.
Roa volana farafahakeliny ny faharetan'ny fiofanana, ka tsy maintsy mahafehy teny Anglisy sy ireo pitsopitsony amin'ny asa atao ireo mpiofana vao mandalo sivana. Mazava ho azy, tafiditra ao anatin'ny fiofanana ny fizaran'asa eny anivon'ireo trano fandraisam-bahiny lehibe na any anaty sambo mihitsy.Tsy voatery nahavita fianarana ambony moa ireo tanora maniry ny hiofana, satria ny mari-pahaizana BEPC ihany no tokony ananana. Mila finiavana sy fahavononana rahateo ny fiofanana satria fifaninanana hatrany no hahatafidirana amin'ny sehatry ny asa.
Tsara ny manamarika fa 8 volana moa ny fifanarahan'asa voalohany azon'ireo mpiofana. Manam-potoana hitsidihana ny fianakaviany eto Madagasikara ireo mpiasa Malagasy mialoha ny fifanarahan'asa manaraka.

Asa any Canada

Misokatra indray ny fandraisana mpiasa amina fast-food any Canada. Noho izany indrindra no anton'ny fiaraha-miasan'ny My Future sy ny RM Group. Efa nitsidika ny toeram-pampiofanan'ny My Future teny Ampefiloha mihitsy moa ny tale jeneralin'ny RM Group, Andriamatoa Regis Dinam Michaud.
Anisan'ireo mpampiranty eny amin'ny Salon International des Acteurs Économiques (SIAE) andiany faha-4, eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, ny ONG My Future. Azo atao tsara ny manantona ireo tompon'andraikitra eny an-toerana hahafantarana ny andinindininy amin'ny fiofanana.

Lire la suite

Articles Similaires