• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Asity Madagascar
Image
Vaovao

Vorona mpifindra monina : 83 karazana no mandalo eto Madagasikara

20/05/2025 16:30 © Moov.Mg

Manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny rohivoahary ny vorona mpifindra monina, noho izy manampy betsaka amin’ny fanapariahana vovom-bony, miantoka ny famokarana. Noho izany indrindra no antony anamarihana isan-taona ny andro maneran-tany ho azy ireo.

Vorona mpifindra monina, mila fiarovana

Ny 17 sy 18 mey lasa teo no nankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vorona mpifindra monina, ho an’i Madagasikara. Tany Antsohery, Fokontany Namakia, Distrikan’i Mitsinjo, Faritra Boeny, no nanatanterahana izany. Ao amin’izany toerana izany no misy ny faritra arovana Mahavavy Kinkony (CMK), izay tantanan’ny Asity Madagascar. Mponina miisa 111, mipetraka amin'ny sisin-dranomasina, no niaraka nankalaza ity andro eran-tany ity tamin’ny fikambanana Asity. Ny kabary nifandimbiasana nataon'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny izay tonga nanatrika ny fotoam-pankalazana, dia saika niompana tamin’ny fampahafantarana sy ny fanentanana ny mponina, ny amin'ny fiarovana ireo vorona mpifindra monina avokoa.

Nisy ihany koa ny fanabeazana ara-tontolo iainana mikasika ny vorona mpifindra monina. Ary ho fanatsarana sy ho fiarovana ireo toerana fonenan'ny vorona, dia nisy ny fametrahana « Faritra Faly », izay faritra tsy azo elingelenina satria fatorian'ny vorona. Mirefy 100 ha izy io. Isan’ny hetsika natao, ankoatra izay, ny fambolena honko tamin'ny velarana mirefy 2 ha.

Karazam-borona maro

Tsara ny mahalala fa ahitana karazam-borona miisa 248 eto Madagasikara. Ny 120 amin’ireo no tsy hita raha tsy eto amintsika. Ny 41 karazana kosa no tadindonin-doza ary 83 karazana no vorona mpifindra monina. Ireo vorona mandalo eto amintsika ireo dia isan’ireo izay mandalo ao anatin’ny faritra « African-Erasian Flyway », izany hoe : mandalo aty Afrika, any Eoropa ary any Azia. Miatrika fahasarotana isan-karazany ireo vorona ireo, antony tsy maintsy hitandremana azy ireny sy tokony handraisan’ny olombelona anjara amin’ny fanamboarana sy fiarovana ireo toerana andalovany, satria miantoka ny fahavelomany izany.

Lire la suite

Articles Similaires