Fiompiana : Maro ny tsindry mahazo ireo tantely ompiana eto Madagasikara
Ankalazaina maneran-tany isaky ny 20 mey ny andro maneran-tany ho an’ny tantely. Isan’ny fiompiana mora atao sy maro mpisehatra ny fiompiana tantely eto Madagasikara. Manoloana izany anefa dia misedra olana maro samihafa ny tantely sy ny mpiompy. Natao indrindra hanentanana ny fiarovana sy fikolokoloana azy ireo ny andron’ny 20 mey, toy izao.
Olana ara-tontolo iainana
Manana andraikitra lehibe amin’ny famokarana amin’ny ankapobeny ny tantely. Miankina amin’ny asan’ny tantely sy ireo karazam-bibikely mpamindra vovobony ny 75% amin’ny vokatra ara-tsakafo, toy ny voankazo, anana, voanjo ary voamaina. Misy amin’izy ireo no ompiana any an-trano ary misy ireo miriaria eny amin’ny ala sy ny tontolo iainana rehetra. Isan’ny sakafo be mpankafy sady mahasalama ihany koa ny vokatra avy amin’izy ireny. Hatahorana hiena anefa izany noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Raha ny fampahafantaran’ireo mpiompy dia io fiovaovan’ny toetr’andro io no tena olana goavana mianjady amin’ny tantely. « Miha simba ny tontolo iainana ka mahatonga ny fahafatesan’ireo biby, indrindra ireo any anaty ala. Simba mantsy ny fonenan’izy ireo ka vao mainka manimba ny fambolena sasany izay ilainy ihany koa », hoy ireo mpamboly avy ao amin’ny Maison de l’Apiculture Malagasy (MAM). Araka izany, niantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra izy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Isan’ny olana ihany ko anefa etsy andaniny ny fiparitahan’ireo fanafody fanao amin’ny voly isan-karazany, izay tsy maha-ela velona azy ireo.
Ankoatra izany dia fanamby hiadiana mafy ihany koa ny rivo-doza sy ireo loza voajanahary samihafa. Ireto farany izay tsy maintsy hiainana saingy mila ny fandraisana andraikitry ny hafa mba hanalefahana ny vokany.
Fahasarotana amin’ny ady amin’ireo aretina
Io fiovaovan’ny toetr’andro io ihany koa anefa dia miteraka aretina mety hahafaty ireo bibikely ompiana ireo. Etsy ankilany anefa dia mbola vitsy ny mpitsabo tantely eto Madagasikara, izay hiantsoan’ireo mpiompy fanampiana. Manampy izany fahasarotana amin’ny fiompiana izany ny tsy fahafahana misitraka fitaovana manara-penitra. Raha ny fanazavana dia vitsy sady lafo izany. Ireo rehetra ireo ihany koa anefa dia miteraka kalitao ratsy amin’ny tantely vokarina, ka tsy afaka hamidy amin’ny sehatra iraisam-pirenena.