• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Minisiteran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Faha-65 taona niverenan’ny fahaleovan-tena : Hafindra eny amin’ny Lac Iarivo ny afomanga lehibe

20/05/2025 09:51 © Moov

Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy, omaly alatsinainy 19 mey, tao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina niaraka tamin'ny sary famantarana ny hetsika hanamarihana ny Faha-65 taona niverenan’ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan'ny foloalindahy. Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ireo Minisitra eo anivon’ny tafika, samihafa.

Lohahevitra entina hankalazana izany ny hoe « fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana »

Afomanga eny amin’ny Lac Iarivo

Isan’ny andrasan’ny malagasy maro an’isa ny afomanga lehibe izay tanterahina isaky ny 25 jona hariva. Raha teo amin’ny farihin’Anosy hatrany no nanatanterahana izany teto Antananarivo dia hafindra eny amin’ny Lac Iarivo Ivato izany, araka ny efa nolazain’ny Filoha. Ankoatra izany moa dia manerana ireo distrika rehetra eto Madagasikara ny fankalazana ny fetim-pirenena hampiray fo sy saina ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka na dia hanana ny maha-izy azy aza ny fankalazana eto an-drenivohitra.
Hitohy amin’ny matso lehibe ataon'ireo Hery Fiarovana sy Filaminana ao amin’ny Kianjan'ny Barea, ny 26 jona, ivon’ny fankalazana izany. Raha ny fampahafantarana dia hisy Filoham-pirenena vahiny sy ny Minisitry ny fiarovana vahiny nasaina hanatrika ny fankalazana ka eo am-piandrasana ny fanamafisana ny fahatongavan'izy ireo ny tompon'andraikitra mpikarakara. Hanamarika ny fankalazana amin’ity taona ity ihany koa ny ny tsangambato izay hapetraka eny amin'ny araben'ny fahaleovantena Analakely.

Hetsika ara-java-kanto sy koltoraly

Hialohavan’ny hetsika ara-java-kanto sy koltoraly isan-karazany ireo 25 sy 26 jona ireo. Mizara telo izany ka voalohany amin’izany ny fampirantiana ny tantara sy sary mirakitra ny tantaran'ny firenena sy ny Foloalindahy malagasy, ny tantara an-tsehatra ary ny fandefasana horonantsary sy ny fihetsika mirindra. Eo ihany koa ireo fifaninana ara-panatanjahantena izay hampisehoana haiady sy fifaninana samihafa. Hanampy izany ihany koa ny kermesin'ny Foloalindahy izay nanana ny lazany tokoa taloha ary hatao ao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina amin'ity indray mitoraka ity.
Hifarana ny 27 jona ireo hetsi-pankalazana rehetra, amin'ny alalan'ny alin'ny Hery fiarovana sy filaminana na ny « Nuit des FDS ».

Lire la suite

Articles Similaires