• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Anitta Andonirina
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Haharitra telo taona ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahafolo (RN10)

16/05/2025 15:34 © Moov

Natomboka androany 16 mey tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahafolo (RN10). Tany Ampanihy ny Filoham-pirenena, nametraka ny vato fototr’izany, mialoha ny nandehanany nitsidika ny sombiny tamin’ilay lalana ho amboarina. Haharitra telo taona ny asa, raha ny fanazavana avy amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy.

Lalana mirefy 414 km

Mirefy 414 km io lalana io ary hampitohy an’i Andranovory (RN7) amin’i Ambovombe. Raha ny fanazavana hatrany dia nampanarahana ny fenitra ny fotodrafitrasa ho tanterahina. « Haharitra fotoana ela ela ihany ny asa satria manerana io 414 km io dia mirefy 7 metatra ny sakany. Hisy 1.5metatra kosa isaky ny sisiny natao handehanan’ny mpandeha tongotra », hoy i Rafidison Richard Théodore, Minisitry ny asa vaventy. Etsy ankilany dia natao mba haharitra sy ho lovain-jafy ihany koa ity lalana ity, hoy ny fanazavana hatrany. Araka izany, natao mirefy 30 sm ny « couche de fondation », 20 sm ny « couche de base » ary 5 sm ny « couche de roulement ».
Nanamarika ihany koa ny Filoham-pirenena, nandritra ny fandraisam-pitenenany fa mila faharetana ny asa toy izao ary tsy maintsy ho vita. « Izay natomboka dia tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany… Hitondra fampandrosoana, tsy ho an’ny faritra Atsimo-Andrefana irery izany fa ho an’ny tapany Atsimo manontolo mihitsy », hoy hatrany ny tenany. Marihina fa efa nisy ampahan’ny asa natomboka tamin’ny taona 2023, izay vola avy amin’ny fanjakana. Ho an’ity asa natomboka ity kosa dia nisy famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, mitentina 402.64 tapitrisa dolara.

Efa vonona ny orinasa

Raha ny fampanantenan’ny Filoha ihany nandritra ny lahateniny dia tsy hijaly amin’ny fampiasana iny lalana iny intsony ireo mpandeha amin’ny fahavaratra, amin’ity taona ity. « hezahina ho vita mialohan’ny fahavaratra izao ny couche de fondation mba hanatsarana ny fifamoivoizana », hoy izy. Efa any an-toerana rahateo ny orinasa hanatanteraka ny asa. Ny orinasa sinoa CRCC no handray ny asa Ambovombe hatreo Beloha. Ny CCED, izay mbola orinasa sinoa ihany koa no hanamboatra ny Beloha hatreo Ampanihy. Ho fantatra amin’ity taona ity kosa ny orinasa handray ny asa eo Ampanihy hatreo Andranovory.
Ankoatra ny lalana ihany koa dia maro ireo tetezana ho amboarina. Isan’ny misongadina amin’izany ny handalo eo amin’ny Reniranon’i Menarana, mirefy 100 m. Eo ihany koa ny fanavaozana ny tetezana eo Manambondro, mirefy 200 m. Tsara moa ny manamarika fa distrika miisa 6 no handalovan’ity RN10 ity.

Lire la suite

Articles Similaires