Morondava : Niatrika fiofanana ireo Polisy hitazona ny asa ao amin’ny Brigade Féminine de Proximité
Hanomboka hiasa ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) ao Morondava, ho an’ny faritra Menabe. Taorian’ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fijoroany tany an-toerana dia niofana avy hatrany ireo Polisy hiasa ao amin’ity rafitra ity omaly. Fotoana ihany koa nanoloran’ny sekretera Jeneralin'ny minisiteran'ny filaminam-bahoaka CGP Randriambelo Mandimbin'Ny Aina M ireo andiany voalohany hisantatra io rafitra io ao Menabe.
Miasa avy hatrany
Aorian’ny fiofanana dia hiasa sy hampihatra izany fahalalana izany avy hatrany izy ireo. Marihina fa ny ivon’ny asa tanterahin’izy ireo dia fanentanana sy fampafantarana ny zon'ny olona, mba hanajan’ny tsirairay izany, eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny toerana misy azy. Etsy ankilany dia handray an-tanana ireo marefo ihany koa izy ireo ; ao anatin’izany ny zaza sy ny tanora ary ny vehivavy, izay mety iharan’ny herisetra sy tsy misitraka feno ny zony.
Etsy andaniny anefa amin’ny maha Polisim-pirenena azy ireo dia hiantoka ny fitandroana ny filaminana, izay eo ambany fibaikon'ny commissaire central eto Morondava, izy ireo. Misokatra ho an’ny distrika miisa 5 izay mandrafitra ny faritra Menabe, izy ireo, rehefa misy ny hilana izany. Ao anatin’izany ny Distrikan’i Belo-sur-Tsiribihina, Mahabo, Manja, Miandrivazo ary Morondava.
Fiarovana ny vehivavy : ilaina fiaraha-miasa
Fanamby mbola goavana mila harenina ny fampanajana ny zon’ny vehivavy, sy ny ady amin’ny herisetra. Mbola mafimafy kokoa izany any amin’ny tontolo ambany vohitra toa an’i Menabe. Velom-pisaorana araka izany ny talemparitry ny mponina sy ny firaisankina tao Menabe amin'izao fahazoana ny brigade féminine de proximité izao. Hanampy hery ho an'ny fitaleavam-paritry ny mponina sy ny firaisankina any an-toerana mantsy ny fisian’ny BFP ary nanome toky ny talemparitry ny mponina sy ny firaisankina fa vonona hiara hiasa amin'izy ireo eo amin'ny adidy sy andraikitra izay ankinin'ny fitondrana foibe sy takian'ny vahoakan'ny Menabe.